Indraimbava

Samy tomponandraikitra

Rava maina indray ny fitsipaham-pitokisana saika hataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, izay tokony hatao anio ny fandaniana azy ampahibemaso. Voalaza fa tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna manankery ilay antontan-taratasy ka tsy mitombina. Mazava be, mitsotsotra sy afaka mandamindamin-tsaina ny prai­minisitra sy ny ekipany. Afaka manohy ny asany am-pitoniana koa […]

Nijabaka

Tafapetraka soa aman-tsara ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahan’ny solombavambahoaka ny fitokisana ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tapitra rahampitso rahateo ny fe-potoana, tsy maintsy handefasana izany anaty fifidianana ampahibemaso azon’ny besinimaro hatrehana, ao Tsimbazaza, araka ny voatondro amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mihazakazaka ny raharaha, tsy nampoizina ny zava-niseho tao anatin’ny 48 […]

Mila fiaraha-mientana !

Resabe tato anatin’ny andro vitsy ny fiparitahan’ny sary eny amin’ny tambajotran-tserasera, mahakasika ny mpanakanto mampirantiranty fitombenana sy manao fihetsika « mamoafady ». Maro ny tafintohina, saingy betsaka ihany koa ny niaro ireny mpanakanto ireny. Andaniny, misy ny milaza fa mandala ny soatoavina sy ny hasina maha Malagasy ka manankiana tsotra izao ireo […]

Mikatso ny lamasinina ?

Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanon­tany tena ny rehetra amin’ny antony […]

Fampandrosoana iaraha-manana

Hatramin’izao, resabe etsy sy eroa hatrany ny amin’ny sosialim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka ifotony: ahoana ihany, aiza… Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny karazana fanampina sy tosika. Na izany aza, tsy hita be ihany ho an’ny sasany tsy mety afa-po? Na tsy laharam-pahamehana, na tsy tena imasoana, na tsy zava-dehibe… […]