13 andro sisa dia higadona ny fotoana hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara. Miroso ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandidà miisa telo. Tsy misy ny olana na sanatriavin’ny vava korontana mandritra ny famoriam-bahoaka ataon’izy ireo. Milamina ihany koa ny fitetezana tokantrano ataon’ny komity mpanohana azy ireo. Marihina fa ankoatra ny hetsika iarahana […]
Indraimbava
Be kajikajy
Raha tsy mahay dia mihinana am-bolony sy fanina tanteraka amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Ny olona noheverina ho raiamandreny, mirona mankany amin’ny ankolafin-kery iray. Tsy fantatra mazava intsony raha hambom-po diso toerana na valifaty tsotra izao amin’ny mpiray latabatra izay tsy nahafalifaly azy. Ny resaka fitiavan-tanindrazana, zary mivadika baraingo. […]
Tia maloto !
Anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ny Malagasy, ankehitriny. Manomboka miakatra ny rano, efa hita taratra eny amin’ny reniranon’Ikopa izany. Vao manomboka izy izao, mbola azo ihoriranana ny mety ho voka-dratsiny. Tsy ho an’ny eny amoron-drano sy ny tanàna azo lalovana fa hatraty am-povoan-tanàna. Manomboka ny petsapetsa sy ny rano miangona. Misy […]
Ady fiady sady fitady
Rehefa idrikinana sy toherina fotsiny izao ny raharaha na zavatra iray na hita fa marina izao aza dia diso, tsy azo ekena, manimba. Izany ny misy sy iainana amin’izao fiatrehana fifidianana izao? Lotoina ankitsirano izay madio; avy eo, ny tena ihany no mitady fanadiovana. Korontanina tsotra izao ny lamina […]
Baomba be !
Nilatsaka ny vaovao efa nampoizina, omaly! Vaovao baomba be! Voatendry ho filoham-panjakana mpisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy nahataitra ho an’ny efa mpamaky raharaha politika. Tohin’ny lojika amin’ny kajikajin’ny mpiantsehatra hatrany am-boalohany izany raha vao nanomboka niely ny feo fa hirotsaka ho kandidà ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry. […]