Mahazo vahana tato ho ato ny hala-boty etsy sy eroa. Amin’ny faritra sasany tonga amin’ny vaky trano, fandratrana na famonoana olona… Tsy fandriampahalemana tsy mahafa-bela. Nahoana loatra? Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe fahasahiranana, ny fidangan’ny vidim-piainana… Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana ho vanona, raha […]
Indraimbava
Erikerika!
Ny erikerika mahatondra-drano, hoy ny fiteny mahazatrany Malagasy. Mody mitsitaitaika izany ny vokatry ny ketrika tarihin’ny filohan’ny Repoblika any ivelany any. Mahery vaika ny adisisika. Tonga tsikelikely ny tompom-bola hiasa aty Madagasikara. Isaky ny mivoaka dia mibaribary fa manan-talenta amin’ny resaka diplaomasia avo lenta sy ahitam-bokany ny Filoha. Tsy […]
Sarotra atoro!
Raha misy zavatra mampikatso ity firenena ity angamba dia ny fizirizirian’ireo nomem-pahefana. Betsaka loatra ny sarotra atoro. Maro ny mihevi-tena fa rehefa manam-pahefana dia tampom-pahaizana. Toa tendritendrena fahatany ny mpanolotsaina, zarazaraina ny toerana. Fa tsy henoina sy mba raisina ny torohevitra. Mahavariana fa ny tsy mahay sy tsy mahafehy […]
Sivano!
Mahoraka indray ny resaka fanovana governemanta amin’izao fotoana izao, andaniny. Misisitsisika moramora eny koa ny mpanohitra, ankilany. Samy tsy hita be ihany izay tena marina amin’ny fihodin’ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Ny zava-misy aloha, miandry lava ny fahagagana ilay vahoaka madinika sy ny tsy manan-tsiny. Misy tokoa aloha […]
Mandresy miady
Ady amin’ny fahantrana? Izay no lehibe sy maika ary imasoana hatramin’izao. Efa elaela ihany izay… Mby aiza? Tsy hita be ihany. Toa vao mainka mihamihombo sy mitombo aza ny fahantrana. Midangana ny vidim-piainana, tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana… Manampy trotraka ny haintany, mitarika fahasahiranana amin’ny famokarana, famatsian-jiro sy rano… […]




