Nidina an-dalambe hatrany ny kandidà 11, omaly. Tsy niraharaha izay lalàna na fepetra noraisin’ny prefektiora izy ireo. Tsy vitan’ny namory vahoaka fa nidina an-dalambe mihitsy. Mitaky fanavaozana saingy mijoro ho tsy manaja lalàna. Mandrefy hery amin’ny fanjakana, miziriziry amin’ny heviny. Milaza ho modely tsara, mitady hirika hitondrana fahefana izy […]
Indraimbava
Minia…Mania
Gaboraraka ny fiainam-pirenena tao anatin’ny roa herinandro. Toy ny tany tsy misy fanjakana i Madagasikara, indrindra ny teto an-drenivohitra. Tsy nisy niraharaha izay lalàna velona izany fa samy nitondra ny lohany. Nanao izay danin’ny kibony avokoa ny rehetra. Tsy madinika, tsy olo-maventy fa dia tsy nisy niraharaha izay rafi-panjakana izany. […]
Mitovy fa tsy sahala
Zava-dehibe ny fahitana ireo mpitandro filaminana niditra an-tsehatra mialoha, nisoroka izay mety ho fifandonan’ny samy vahoaka nanao fihetsiketsehana. Raha maty henjika ny zandarimariam-pirenena nandritra ny herinandro vitsy, nahazo dera sy fankasitrahana tamin’ny mpanohana ireo fiombonamben’ny kandidà kosa omaly. Vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary miverina amin’ny vahoaka ny teny niverimberina. […]
Loza mihatra !
Loza ity hoy Rainimanonja! Tonga any amin’ny fifamonoana ny samy Malagasy madinika. Tsy tandindonin-doza intsony ilay fiarahamonina fa mirona any amin’ny fifandratrana sy fanimban-javatra. Misy ny maratra isan’andro. Tsy misy manaiky lembenana amin’ny fanehoan-keviny. Mifandrefy hery amin’ny daroka sy vely kibay. Ny tena marina, samy niandry « action » […]
Kilalaom-bazaha Hatraiza marina ny fahaleovantenan’i Madagasikara? Hatraiza ny tanjaky Ramalagasy hanohitra ny fidiran’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin’ity raharaha politika anatin’ny firenena ity? Rehefa tsy nahomby tamin’ny andiany voalohany, nivadika ho ny FFKM, izao manao rodobe indray izy mianakavy amin’ny fanambarana. Milaza izy ireo fa tokony hirosoana ny fifampiresahana ka ny vahiny […]