Anisan’ny vaovao goavana hivoaka ato ho ato ny mahakasika ny fankatoavana na tsia ny kianja Barea, Mahamasina. Samy miandry anaty fitaintainana avokoa ny olom-pirenena rehetra sy ny mpankafy baolina kitra. Tsy mbola misy ny vaovao amin’ny fomba ofisialy nivoaka avy any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina momba ny baolina kitra. Ny resabe […]
Indraimbava
Amin-kitsim-po
Tomponandraikitra. Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fiakaran’ny ranobe etsy sy eroa, saika manerana ny lafivalon’ny Nosy. Maro ny fotodrafitrasa dibo-drano sy simba, niteraka resabe sy fanakianana ny fitondram-panjakana izany. Dokotera aorian’ny fahavoazana hatrany anefa Ramalagasy. Tompondakan’ny fifanomezan-tsiny sy ny fanilihana andraikitra. Raha misy ny voina, raha misy ny fahasimbana, mihazakazaka […]
Tena mila jerena
Hanao ahoana ny fiainam-bahoaka? Tsy hita be ihany… Tsy mahafa-bela, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Ny orana amin’ny famokarana aza, iri-mahory fa tafahoatra amin’izay ilaina. Hanao ahoana ihany? Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina madavantaona ny fiainana isan’andro. Eny, na eo aza, ohatra, […]
Ilay toe-tsaina!
Nahafinaritra ny fiaraha-nijery basikety, omaly, teny Mahamasina, ho an’ireo izay afaka nanatrika nivantana. Nampitaintaina ny lalao roa nifanesy, indrindra ilay nandraisan’ny Ankoay anjara. Nifanalavitra ny vokatra ho an’ny Ivoariana sy ny Malagasy, izay resy lavitra. Niady hatramin’ny farany kosa ny ekipan-dry Sitraka sy ry M’Mady, ary Elie. Ny indrokely, […]
Tompondaka
Raha ny seho sy fahaizana mivarotra dia tompondaka ny Malagasy. Mampiaiky volana ny mahita ireo olona, toa anjely raha jerena amin’ny tambajotran-tserasera. Rehefa zohina akaiky anefa ny fiainany, anisan’izay farahidiny. Ny trano itoerany, ny asa fanaony andavanandro anefa dia anisan’ny farahidiny tokoa. Tompondakan’ny “werawera”. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa, maro […]




