Ho avy eto Madagasikara i Amine Radi. Mpanao hatsikana maraokanina, monina any Frantsa izy. Hisy fampisehoana hataony ny 13 desambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, izay karakarain’ny Ami Vision Madagascar. Irony hatsikana miendrika video miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera irony no tena nahafantarana an’i Amine Radi. Anisan’ireny ny nanaovany ilay hoe “Quand […]
kolon-tsaina
« Beatbox Battle Madagascar »: tompondaka fanindroany i Kelly West
Fredo Rakotondrina, fantatry ny maro amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Kelly west, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Beatbox Battle Madagascar 2024” teo amin’ny sokajy Solo. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano Malagay (CGM) Analakely, ny dingana famaranana tamin’izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa tena ambony […]
“Makua Festival Music” : nomem-boninahitra ireo nitondra avo ny zavakanto
Fahombiazana tamin’ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fampisehoana izay tena nalaza, nanome voninahitra ireo mpanakanto sy ireo olon’ny zavakanto, nanandratra ny mozika avy ao Toamasina ihany koa ny “Makua Festival Music”. Fankasitrahana hatraiza hatraiza. Mendrika izany i Shyn sy Denise sy ireo niara-nisalahy tamin’izy ireo tamin’ny fanatontosana ny andiany voalohany tamin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Fotoana nanomezana sehatra ireo mpanan-talenta rehetra amin’ny fahaizana mamorona lahatsoratra sy tononkalo ary ny fahaizana miantsa izany amin’ny endrika slam tetsy amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo tanora maro. Nanentana sy nikarakara ny hetsika ny avy amin’ny fikambanana Madagaslam. […]
sanganasan’i Mozart : nofohazin’ny Madagascar Orchestra
Wolfgang Amadeus Mozart, iray amin’ireo andrarezina amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny no nanatanterahin’ny Madagascar Orchestra seho «Nuit enchantée avec Mozart» ho famohazana indray ny sanganasany, tao amin’ny Le Grand café de la Gare (Salle de l’Horloge). Tao anatin’ny fizarana voalohany no niangalian-dry zareo […]