Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Esplanade La Mairie Toamasina, ny lanonana famaranana ny fifaninanana «Nofy Maitso» andiany faharoa. Fifaninanana «Slam poèsie» no notanterahina tao anatin’izao hetsitka izao. Mpiangaly «Slam» maro samihafa, avy amina tanàna sivy no tonga nanome lanja izany. Ankoatra ny famaranana ny fifaninanana, nisy ihany koa ny fampisehoana […]
kolon-tsaina
“Festival des livres Thrillers”: nosokafana tamin’ ny ranty sy kilalao
Fampirantiana sy lalao fifaninanana no nentina nanokatra ny “Festival des livres Thrillers” andiany faharoa, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, nanomboka ny 21 oktobra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 31 oktobra 2023 ity hetsika lehibe ity. Mampiavaka azy ny fanehoana sy […]
Misaona ny kanto malagasy : nodimandry ny andrarezina Abel Ratsimba
Mpamoron-kira, mpihira, anisan’ny ngezalahy ! Nitoeran’ny talenta tsy manam-paharoa. Tsy ho hita eny an-tsehatra intsony… Nindaosin’ny fahafatesana i Abel Ratsimba ! «Ray alina ô», «Kinanjo», «Sahinao», «Lasa ianao», «Ny foko vao nitia»… Hira anisan’ny nahafantarana an’i Abel Ratsimba. Nodimandry ny sabotsy 21 oktobra, teo amin’ny faha-86 taonany ity mpamoron-kira sady mpihira manana […]
Taom-pianarana 2023 – 2024: hosokafana rahampitso ny « Takalo dinika »
Iray amin’ireo hetsika fanaon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy, isaky ny faran’ny herinandro ny « Takalo dinika amorom-patana ». Nampiarahina amin’ny fisokafan’ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 ny fanokafana azy ity. Rahampitso alahady 22 oktobra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (oran’i Madagasikara). Hiompana amin’ny lohahevitra : « Ny kabary sy ny […]
Hetsiky ny MJ Events : raikitra ny « Roots Rap Reggae »
Sambany sady voalohany ary mbola hitohy. Hotanterahina etsy amin’ny CFM Anosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro ny “Roots Rap Reggae”, andiany voalohany. Hiaka-tsehatra amin’izany ireo mpanakanto mivoy gadona iray anatin’ny fahasamihafana. Ahitana an’i Psykopasy, Big Jim Da, Mashmanjaka Tsirefesimandidy & Othentik Di Ras, Rootsikalo, Maro’zik, Abdozy, Lousfah. Anisan’ny hetsika voalohany […]




