Mbola lavidavitra ny tena famirapiratana ho an’ny sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo sokajy « nafana » tamin’ny fakan-kevitra natao ny alakamisy teo koa ity seha-kanto iray ity. Misy vahaolana anefa avy amin’ireo mpisehatra. Lalàna mifehy, rafitra misahana, fahaiza-manao, fitaovana, sns. Samy mbola ahitana olana avokoa izany, ho an’ny sarimihetsika malagasy. Vory lanona ireo mpisehatra, […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
« Soraty ho tadidy ». Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny tarika Solika. « Ndao hiara-hikalo indray ireo hira fahiny, tsy afaka am-bavantsika hatramin’izao », hoy izy ireo raha nanasa ny olon-drehetra ho tonga eny an-toerana, ny zoma 5 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Marihina fa iray amin’ireo […]
« Festival d’Art Urbain X » : Hakaton’ny « Be-Art » ny ranty 2025
Haikanton’ny tanàn-dehibe. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny « Be-art ». Fampirantiana farany eny an-toerana amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto maromaro hamadika ireo toerana ivezivezen’ny olona maro ho tonga fihaonan’ny adihevitra isan-karazany sy sehatra famoronana ary fanalana ireo asa saina mavesatra no hanatanteraka ny ranty eny an-toerana, manomboka ny 21 novambra […]
Fakan-kevitra momba ny kolontsaina : Nafana ny resaka sarimihetsika, fomba, Omda, sns
Samy nanaposaka ny heviny. Tao ny sokajy nilamindamina kokoa, fa nisy kosa ireo nahitana adihevitra nafana. Voaresaka avokoa ny olan’ny sehatra rehetra manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny harembakoka, omaly. Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina teny Anosy, omaly. Namaly ny fanasan’ny minisiteran’ny Seraasera sy ny […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa antsakany sy andavany ireo fampisehoana tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy, Ambovombe, Amboasary, Taolagnaro… Nisy ny fampisehoana anaty efitrano. Tao ny teny amin’ny toerana malalaka. Mampiavaka an’i Zook Davids ny « EPP Tour ». Hiverina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina indray ny seho manaraka. Amin’ny sabotsy 15 novambra izao, manomboka amin’ny 2 […]




