kolon-tsaina

“Festival Sômaroho” andiany faha-11: vahiny andrasana ry Lucky Dube Group sy Jungeli

Tarika vahiny roa farafahakeliny no handray anjara amin’ny “Festival Sômaroho” any Nosy Be, amin’ity. Ry Jungeli sy ry Lucky Dube Group no nantsoin’i Wawa amin’ity, hanampy ireo tarika malagasy kalaza. «Tsy maintsy misy mpa­nakanto vahiny man­dray anjara amin’ny Sômaroho. Efa nahazatra sy napetraka hatramin’izay koa ny fifanakalozana ara-javakanto amin’ireo vahiny», […]

Cinef andiany fahavalo: handray anjara i Felana Rajaonarivelo

Tanterahina ny 19 hatramin’ny 24 aogositra 2024, ao amin’ny Palais du Peuple Kin­shasa, RD Congo, ny « Festival du Cinéma Feminin » (Cinef), andiany fahavalo. Hetsika natao hanandratana ny horonantsary vokarina vehivavy sy ny mpanatontosa vehivavy izy ity. Fifaninanana, atrikasa, velakevitra ary fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpandray anjara amin’ny hetsika […]

Seho ankalamanjana: Tia manatsara fitaovana ny mpihiragasy

Saika isan-taona, misy fitaovana na ampahana fi­taovana misolo eo amin’ny tarika mpihira gasy. « Ani­san’ny zava-dehibe ho an’ny mpihiragasy ny hatsaran’ny fitaovana am­piasainy eny an-kianja, hany ka milofo fa­tratra amin’izany ry zareo », hoy i Dadafara Rami­lison (Dadafara LT Prod.). Raha ny fanazavany, fanomezan-danja sy hasina ny kanto ataony (hiragasy) sy ny […]

TARATRY ny KANTO

Telofangady etsy amin’ny NO Comment Bar. Taorian’ny fahombiazan’ilay seho tetsy amin’ny Ivokolo Analakely farany teo, manome fotoana ireo mpankafy etsy Isoraka indray ry Rahaja sy ny tariny anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Hifanakaiky kokoa ary hofantenana mba ireo hira tena andrasan’ireo mpankafy ao no hatao mandritra izany. “Ny […]