kolon-tsaina

Fampirantiana « Misy diso » : Madagasikara sy ny maha malagasy no asongadin’i Cynthia C.

Mamaky sehatra ny Fondation H, amin’ity taona 2024 ity, ny fampirantiana “Misy diso” an’i Cynthia Colney. Mitondra fahalalana, ahafantatra bebe kokoa ny maha malagasy sy i Madagasikara izany fampirantiana izany. Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Fondation H, ao Paris Frantsa, i Cynthia Colney, Malagasy mpahay kanto manana ila Frantsay. Na­nomboka omaly […]

Soatoavina malagasy : tsy tazana intsony ny « zanaka iaraha-manana »

Anisan’ny niteraka fiovana lehibe teny anivon’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny tsy fahaizana mifanabe. Tsy ta­zana intsony ny «zanaka iaraha-manana». Na ny nateraka na tsia, rehefa zanaka, nifarimbonan’ny mpiara-monina fahiny nobeazina. Ny ankehitriny, na ny mananatra sy mampita hafatra ho an’ny zanaka aza, tsy vitan’ny raiamandreny sy ny fiarahamonina intsony. Matahotra ny […]

Tantara an-tsary: hiresaka ny “Grand Frère” i Dwa

Toy ny ahoana ny namadihana tantara foronina (roman) ho tantara an-tsary? Ahoana ny safidy amin’ny sary, mba hamoaka manontolo ny aingam-panahin’ny mpamorona? Ampahany amin’ireo horesadresahan’i Dwa, ny sabotsy 13 janoary izao ireo, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny IFM Analakely. Ilay boky “Grand Frère” no horesahan’ity mpanao tantara an-tsary […]

« Prix Kourouma 2024 » : voafidy hifaninana ny boky « Za Koa » an’i Hary Rabary

Mitombo hatrany ny Malagasy mpahay kanto sy ny haikantony, tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro amin’izy ireny aza ny mandrombaka ny amboara mihitsy. Taratry ny fisian’ny lanjan’ny haikanto Malagasy izany. Tafiditra ho anisan’ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana, «Prix Ah­madou Kourouma 2024”, i Hary Rabary, Malagasy mpanoratra, amin’ny alalan’ilay asa sorany […]

« Prix Paritana » : Miditra amin’ny andiany fahavalo ny fifaninanana

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2024 ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany faha-8. Ny Fondation H, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ami­ny no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy monina eto Madagasikara ny hetsika. Tanjona ny hanomezana tosika sy fampivelarana azy […]