kolon-tsaina

Mahajanga : Tafaverina amin’ny lazany ny « Star Tour »

5 taona no tsy nisy ny hetsika. Avy hatrany dia fahombiazana noho ny taloha kosa ny fiverenany, raha notarafina tamin’ny 3 andro an-danonana sy fialamboly teto Mahajanga. Fahombiazana raha tarafina amin’ny isan’ny mpanatrika. Rakotra olo­na manomboka eo amin’ny sehatra lehibe manoloana ny Chambre de commerce, hatreny amin’ny baobab lehibe, manamarika […]

TARATRY ny KANTO

« Fianar’Rire ». Atrikasa ho an’ireo mpanao hatsikana, na matihanina na tsia, izy ity. Mahakasika ny fampihomehezana sy fihazonana ny mpijery hanaraka ny hatsikana hatao ny lohahevitra. Hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, anio 16 aogositra amin’ ny 8 ora sy sasany izany. Arahina fampisehoana izany ra­hampitso amin’ny 2 ora sy sasany, […]

« Star Tour Mahajanga »: Fetim-pianakaviana anaty fialantsasatra

Tomefy olona i Mahajan­ga. Anatin’ny ivon’ny fialantsasatra mihitsy, ka maro ireo fandaharam-potoana ho an’ny fianakaviana, na tompon-tany na vahiny. Lehibe indrindra amin’ ireny ny «Star Tour», izay na­nomboka omaly, eo amin’ny Bord Mahajanga. Vao tolaka ny andro dia nanomboka ny ka­razam-pialamboly maro. Misy ireo lalao ho an’ny ankizy, izay tazana […]

Hiragasy: Navadika Ramilison Besigara

Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny hiragasy. Tontosa ny alarobia lasa teo ny famadihan-drazana, namonosana indray an-dRamilison Besigara Fenoarivo, tany Mandrosoa, kaominina Morarano Antongona, distrikan’Arivo­ni­ma­mo. Nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo ao anatin’ny zavakanto, indrindra ireo mpanakanto novolavolain-dRamilison fahavelony. Teo ihany koa ireo zaza mandimby, mbola mamelo-maso ny hiragasy hatramin’izao, izay misandrahaka […]

« London Design Festival 2025 » : Voaantso hampiranty ny sanganasany i Kiady Ratovoson

Tsy mena-mitaha ny vita malagasy. Efa miakatra ny tsena iraisam-pirenena ny forona malagasy, satria voaasa amin’ilay hetsika goavana sy malaza indrindra amin’ny « design » i Kiady Ratovoson. Mamirapiratra maneran-tany ny vita malagasy ! Porofon’izany, nasaina manokana handray anjara amin’ny «London Design Festi­val 2025» i Kiady Ratovoson. Hetsika malaza sy iraisam-pirenena hanasongadinana ny […]