Ririnina, vanim-potoana mampiroborobo ny hiragasy. Tsy mipetraka an-tanàna ny mpanao azy ity fa manafana ny lanonan’ny didim-poitra sy ny famadihan-drazana. Somary mafimafy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny mpikarakara sy ry zareo amin’izao vanim-potoana izao. « Te hitazona ny fomba ny Malagasy. Tsy afa-manoatra anefa satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy… Io tranga io […]
kolon-tsaina
IKM Antsahavola : miavaka ny rantin-tsarin’ i Nart Paul
Anisan’ny mahakanto ny zavatra iray ny fananany ny mampiavaka azy amin’ireo miaraka aminy. Tena kanto tokoa raha ny zavakanto vokarin’i Nart Paul, arantiny eny amin’ny IKM Antsahavola. Manatanteraka fampirantiana eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, hatramin’ny 24 jolay 2024, i Mahafaly Nary Paul, fantatra amin’ny anarana hoe Nart Paul […]
“Ranavalona III, The Chrysalys Queen”: hamelona indray ny tantara anaty soradihy i Gaby Saranouffi
Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny soradihy. Handray anjara amin’ilay hetsika “South African Art Festival” i Gaby Saranouffi. Ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III no hozarainy an-tsehatra mandritra izany. Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 aogositra izao ilay hetsika ara-javakanto “South African Woman Art Festival”, any Durban, Afrika Atsimo. Anisan’ireo voasafidy haneho ny […]
TARATRY ny KANTO
Ankoatra ny fanapariahana ny kanto atao, mari-pandrefesana ampiasain’ny mpanakanto maro koa ny tambajotran-tserasera. Ao no hitsirihan’izy ireo ny « dokadoka » sy ny « dakadaka ». Raha betsaka ny doka, misora-tena fa tian’ny olona ilay mpanakanto. Hatramin’izao anefa, « tsy azo atao fangitra hiaingana hoenti-manapa-kevitra loatra ny tambajotran-tserasera », hoy ny mpandinika fiarahamonina. Mety mamitaka izy […]
Fifaninanana K-pop : nitrandrahan’ny tanora malagasy ny kolontsaina koreanina
Mahaliana ny tanora sy ny ankizy malagasy ny kolontsaina vahiny, anisan’izany ny an-dry zareo koreanina. Naseho tamin’ny alalan’ny dihy sy ny hira izany nandritra ny fifaninanana “K-pop World Festival”. Tontosa tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo, ny fifaninanana “dance cover” mahakasika ny “K-pop World Festival”. Fifaninanana iraisam-pirenena andiany fahafito, […]