kolon-tsaina

« Up Short Contest »: sarimihetsika 15 no hiatrika ny famaranana

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Hakanto Con­temporary Ankadimbahoaka, ny fandefasana sy fifidianana ireo sarimihetsika miisa 15, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ao anatin’ny « Up Short Contest », andiany voalohany, karakarain’ny Cine Up. « Ireo adin’ny vehivavy malagasy ». Io no lohahevitry ny fifaninanana izay ezahin’ireo mpifaninana resahina ao anatin’ny sarimihetsika mandritra ny 30 segondra hatramin’ny […]

«Festival Temps Fort Théâtre »: hiaka-tsehatra ny Mangano Massip

Ny Compagnie Mangano Massip, avy any Frantsa indray no hiaka-tsehatra eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny «Festival Temps Fort Théâtre », anio. Mandri­tra izany no hilalaovan’izy ireo ny piesy teatraly « Les Aimants ». Vondrona mpiangaly teatra anisan’ny manana ny maha izy azy ny Compag­nie Man­gano Massip. Firene­na maro tao […]

Ecole des Gobelins Paris : hanatsarana ny sarimihetsika malagasy

Mandalo eto Madaga­si­ka­ra ny «Ecole des Gobe­lins Paris», sekoly anisan’ny sangany amin’ny fampianarana horonantsary fanentanana, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany, hisy ny adihevitra iarahana amin’ny Cécile Blondel, matihanina eo amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, sy Alizée Dallemagne, tomponanandraikitry ny sekoly. Anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, no hanatanterahina […]

Kaonseritra evanjelika : hanafana ny FJKM Ankadifotsy ny TMI

Taona 2023, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Mitohy amin’izao taona 2024 izao izany. Fantatra fa hifamotoana amin’ny mpitia hira evanjelika ity tarika manana ny maha izy azy ity. Amin’ny alahady 24 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadifotsy. Raha ny fanazavan-dry zareo, sambany […]