Hisy atrikasa momba ny zon’ny mpamorona. Hotontosaina rahampitso 9 mey izany, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Anac Anosy. Hitarika izany ny talen’ny Omda, Joelinirina Rarivojaona, hamelabelatra manodidina ny fifehezana ny lalàna, ny fahafaha-miaro ny sanganasa, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa anatin’ny tontolon’ny zavakanto ary ny fanomezan-danja ny forona ara-javakanto. Hanokatra […]
kolon-tsaina
“Festival du caméléon”: Ho an’ny tontolo iainana, fizahantany, kolontsaina
Sambany no hisy. Handray ny Festival voalohany ny distrikan’Amboasary Atsimo. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagacar, ny fisian’ny “Festival du Caméléon”, izay hatao any an-toerana, ny 13, 14 ary 15 jona ho avy izao. “Hetsika natao hanentana, hanabe, hiaro ny tontolo iainana, hanainga ny fizahantany ary hampahafantarina ireo endri-kolontsaina […]
Talily Kultur : Hanofana ho mpandra- haraha ara-javakanto
Seha-pihariana koa ny zavakanto sy ny kolontsaina. Toy ny asa rehetra anefa, mitaky fahalalana fototra sy fahalalana manokana momba ny sehatra izany. Maro ireo te hisehatra anatin’ny fandraharaharana manodidina ny kanto, kanefa tsy tena mahita ny lalan-kombana, noho ny tsy fisian’ny lalam-piofanana manokana momba izany. Hanampy azy ireny ny tanjon’ny […]
Kalon’Imerina: Ny mamerina no misandratra
Tranga iray anisan’ny mahavariana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy. Manana mpamoron-kira maro i Madagasikara. Saingy, sahirana vao mahasarika mpihaino ny kalon’Imerina iray, raha amin’izao vanim-potoana izao. Na ireo heverina fa mpanakanto sangany aza, manontany tena. Tsy tian’ny mpijery fampisehoana, loatra, ny hira vaovao raha oharina amin’ireo voaforona teo aloha. Ireo […]
TARATRY ny KANTO
Nanolotra boky ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny AFT Andavamamba. Boky miisa 64, ahitana tantara foronina ho an’ny tanora ireo, ka anisan’ireny ny sanganasan’i Julien Rakotonaivo, “Echos et murmures du temps jadis”. Tafiditra anatin’ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ny tanora, izay anisan’ny sehatrasan’ny AFT izao fanomezana boky izao. […]