Razakarivony Yvon Paul, fantatr’ireo mpankafy ny kanto an-kira sy mozika amin’ny hoe Yvon Paul. Mandia ny faha-10 taona nikirakirany mozika amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto miezaka hatrany ny manome lanja ny tononkira sy ny fandrindrana izany mba hahafeno ny famaritana ny kanto. 10 taona nizarana ny « mozikan’ny fo » izay azo […]
kolon-tsaina
« Madagascar Film Festival »: Dimy andro ho an’ny sarimihetsika
Anisan’ny hetsika lehibe andrasan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy ity. “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024”, izay hotontosaina mandritra ny dimy andro, hanomboka ny 26 marsa izao. Saika ao amin’ny Havoria Anosy avokoa ny hetsika, ka hisy ny fandefasana horonantsary hifaninana isaky ny sokajy ny 27 sy 28 marsa […]
Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Nihetsika ireo poeta manerana ny faritra maro
Zavakanto tsy lefin’ny vanim-potoana ary mitoetra maneran-tany ny poezia. Toy ny isaky ny 21 marsa, miezaka manamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia ireo poeta manerana ny Nosy Tsy nandalo fotsiny. Faritra maro no nahazoana akony, fa nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia sy ny angano, omaly 21 marsa. […]
Fanabeazana sy fitaizana: Ny fahendrena tsy mety lany andro
Antony iray miteraka fifandirana na fifandonana, matetika, eo amin’ny tanora sy ny lehibe ny fahendrena. « Ny anareo, efa lany andro », hoy ny tanora. Ho an’ny lehibe (olon-dehibe): « ny fahendrena tsy mety lany andro ». Hoy ny Malagasy: « ny mandrora mitsilany, mahavoa tena ». Fahendrena mety ho lany andro? Tahaka izany koa ny: […]
Andro maneran-tany ho an’ny poezia: Miha tanora hatrany ny mpanoratra
Tsy manakana ny mpanoratra tsy hanakorisa ny peniny ny fahalaindainan’ny Malagasy hamaky boky. Tsy voatery ho boky rahateo no ahafahana mianoka ny hakanton’ny soratra (poezia, tononkalo, tantara…), amin’izao vanim-potoana izao. 21 marsa, «Andro maneran-tany ho an’ny poezia», araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco). […]




