kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Anio, alatsinainy 24 marsa, amin’ny 8 ora maraina, no hanomboka ny fizarana fidiovana etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Imahamasina. Ny fanadiovana na fidiovana no dingana iray lehibe anisan’ny mampiavaka ny Malagasy rehefa miatrika vanim-potoana lehibe toy izao. Diovina amin’ny alalan’ny afo, tany rivotra ary rano ny tontolo sy ny olona. Zava-dehibe […]

TGC – Hosana Ambohijatovo Fitiavana: Nahatafita hafatra ny « Ambarao ny hatsarany »

Na tsy hipoka aza Antsa­hamanitra. Tsikaritra fa nahazo hery lehibe avy amin’ny fijerena ilay seho « Ambarao ny hatsarany » ireo tonga teny an-toerana. Nahatafita hafatra ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny TGC. Samy naneho ny talenta sy ny fahaiza-mihira ary ny famoahana ny tiany hampitaina rahateo ireto tarika roa […]

Taom-pikatrohana 2025: « Mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy »

Hiragasy, kolontsaina anisan’ny mbola mahatazona ireo singa maro maha Malagasy ny Malagasy. Nosokafana, omaly, ny taom-pikatrohana 2025. Tonga maro ny mpijery… Tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha no nanatanterahina ny « Hiragasy goavam-be », na­nokafana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny hiragasy. Anisan’ny nampiavaka ity adin-kiragasy nifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Fredy Kely avy any […]

TARATRY ny KANTO

Hiverina indray ny ady hiragasy, etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha. Hifandona, rahampitso, ry Fredy Kely avy eny Imerintsiatosika sy ry Rapaulson avy any Fenoarivo Gara. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fidirana voalohany, haharitra mandra-paharivan’ny andro izany. 27 marsa ka hatramin’ny 31 marsa. Hanamarika ny Taombaovao Malagasy eny Ambohidratrimo ny Malagasy […]