kolon-tsaina

Kaonseritra evanjelika : hanafana ny FJKM Ankadifotsy ny TMI

Taona 2023, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Mitohy amin’izao taona 2024 izao izany. Fantatra fa hifamotoana amin’ny mpitia hira evanjelika ity tarika manana ny maha izy azy ity. Amin’ny alahady 24 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadifotsy. Raha ny fanazavan-dry zareo, sambany […]

Arikaomsa Randria : «Mila omena lanjany eo amin’ny fanabeazana ny angano sy poezia»

Fantatra kokoa ny feony noho ny endriny. Heno matetika amina tantara an’onjampeo i Arikaomsa Randria. Milomano anatin’ny literatiora tanteraka anefa izy, ary nisolo tena ireo mpisehatra nandritra ny « Fetin’ny angano sy ny poezia », omaly. Endri-panabeazana anisan’ny tranainy indrindra teto Madagasikara ny angano. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny angano. […]

« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery

Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Mada­gas­car (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]

“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fana­tsarana entin’ny mpikarakara. Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Fran­çaise Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny […]