Tao anatin’ny taona maro, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Maro loatra ny very ka saro-tadiavina ? Malalaka loatra i Madagasikara ka tsy maintsy manketsy sy mankaroa ?… Fa ankoatra izay ? Tononkira iray anisan’ny nalaza fahiny ny hoe : « Imanga no natsoina, Iako no mamaly! Nankaiza Imanga havako? ». Ankehitriny, tsy Imanga irery […]
kolon-tsaina
Fiovana any ifotony: ilaina ny fananana trano kolotoraly
Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Mazana, anefa, ny hampahafantatra izany eo amin’ny sehatry ny firenena sy ny iraisam-pirenena no maha maika ny « mpanakanto ». Anisan’ny paikady ampiasaina maneran-tany, ahitana fivelarana haingana ny fiaingana any ifotony. Ho an’ny rafitra efa misy, tokony hisy trano kolotoraly ho fanandratana ny kolontsain’ilay toerana […]
Ratsy fototra: tsy mahalala ny tenany ny Malagasy
Antony iray mahatonga ny Malagasy « hitsingevana » amin’izay rehetra ataony, ny tsy fahalalana ny tantara. Mitombo isa miandalana, ohatra, ny Malagasy tsy mahafantatra akory ny tanin-drazany fa mialokaloka hatrany amin’ny hoe : « Malagasy aho, noho izany, Madagasikara no tanindrazako ». Tsy diso, saingy, tsy ampy. Ao koa ireo tsy manana intsony ny ambanivohitra […]
Androm-pirenena ho an’ny kabary: mpisehatra 189 nahazo ny mariboninahitry ny kanto
Tsy hoe lamaody ka be mpanao, fa kolontsaina ifandovana. Mbola maro mpandala ny kabary malagasy, raha notarafina tamin’ny isan’ireo mpisehatra notolorana ny mariboninahitry ny kanto, omaly. 15 janoary. Natokana ho Androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy io daty io, nanomboka ny taona 2022. Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana notontosaina tetsy […]
“Fagnotsafa 2025” – Toamasina: novelabelarina ny fivoaran’ny zavakanto
Inona ny zava-misy? Inona ny olana? Inona ny vahaolana? Fanontaniana nezahina nitondrana valiny avokoa ireo, mahakasika ny lohahevitra “Ny fivoaran’ny tontolon’ny zavakanto eto Toamasina”. Ampahany tanatin’ilay hetsika “Fagnotsafa 2025”, notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny adihevitra, tao amin’ny efitrano lehiben’ny Tranoben’ ny serasera sy ny kolontsaina, Masôva 501. Hetsika natao […]




