Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana volana janoary sy febroary ny hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy ». Araka ny vaovao nampitain’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy, ny sabotsy 1 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn ka hatramin’ny 5 ora sy 30mn hariva, ao […]
kolon-tsaina
Antoko mpihira Afatra: notsiahivina indray ny Epifania
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny « Antsa Epifania ». Fety kristianina natao ho fahatsiarovana ny famangian’ireo Magy an’i Jesoa Kristy tamin’ ny fahaterahany. Samihafa ny fiavian’ireto Magy ireto, araka ny raki-tsoratra hita tao amin’ ny « Excerpta latina barbari ». Nanatanteraka tahaka izany koa ny antoko mpihira Afatra […]
Tontolon’ny zavakanto: nodimandry i René Korodôgno, mivoy ny gadona Antosy
Ny zanak’i Sofia sy iny tapany avaratra iny mahay tsara ny talentany. Iray amin’ireo mbola nitana ilay filalaovana ny korodôgno mampiavaka ny gadona antosy i René, izay nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo. Manan-talenta iray indray no nandao ny tontolon’ny velona. Nodimandry ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny faha-56 taonany, i René […]
Voalohan’ny taona: marobe ny voatsodrano
Anisan’ny fanao maneran-tany ny « mitsodrano » amina vanim-potoana na tranga mila izany. Iray amin’ireny ny taom-baovao. Marobe ny olona no voatsodrano… Saingy, mankaiza avokoa izy ireny? Toa tsy manan-kery raha ny filazan’ny sasany? Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny Malagasy izay maro teny tokoa manoloana ny olona hotsofin-drano mba… Matetika, ireo […]
ICC 2025: any Frantsa ny ekipa malagasy
«Coupe du monde des traiteurs» na «International catering cup» (ICC). Anisan’ ny tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa malagasy ahitana ny cheffe Fenosoa Rahajamalala (cheffe d’équipe), cheffe Bodo Rakotovao (coéquipier), coach Chef Lalaina ary Rocco Andriamiarisata (juré). Efa any Frantsa izy ireo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « ICC » 2025, […]




