« Union des photographes professionnels de Madagascar » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana […]
kolon-tsaina
Fampirantiana “Planète femmes”: misongadina ireo asa tanan’ny vehivavy
Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny […]
Fandraharahana ara-kolontsaina : nisitraka ny « Prom’art » ny tany Antsirabe
Tetikasa mifanohy amin’ny « Tosik’Art » ny « Prom’Art ». Natao hampivoatra, hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokariny izany, hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny asany. Nisy ny fiofanana izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Prom’Art », natao tao amin’ny Tranoben’ ny kolontsaina sy ny serasera Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisitraka izany ireo […]
Kolontsaina Japoney : atrikasa momba ny fanaovana sary « Manga »
Anisan’ireo kolontsaina aziatika mihamahazo laka eto amintsika ny an-dry zareo Japoney. Antony iray mahatonga izany ny fankafizan’ny Malagasy sarimiaina “Manga” maro samihafa. Ho fampiroboroboana izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika. Eny amin’ny Maison sociale des arts d’Antananarivo Ambatovinaky, isaky ny alarobia sy ny sabotsy, no hanatanterahina ny atrikasa momba ny sary, […]
« Rallye moi(s) théâtre » 2024: hahazo tombony ny vehivavy sy ny ankizy
Teny amin’ny SMAK Ambohimangakely indray no nanatanterahina ny andro fahatelo amin’ny « Rallye moi(s) theatre” (RMT) andiany fahafito. Ho tohin’ny andro voalohany sy faharoa, hetsika maro no nentina nanamarihina izany. Anisan’izany ny atrikasa sy fampisehoana maro. Mpahay kanto manana ny maha izy azy, eo amin’ny sehatry ny kanto isan-karazany ihany koa […]