Hotanterahina eny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 28 septambra 2023 hatramin’ny 30 septrambra 2023, ny hetsika « Du jardin à la table ». Hetsika natao hanasongadinana ny vokatry ny tany sy ny tanora mpandraharaha ary ny haify avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny […]
kolon-tsaina
Mila fanarenana: Rakotra « saribakoly » ny kolontsaina malagasy
Firenena nandalo fanjanahantany i Madagasikara. Taona 1960, naverin-dry zareo Frantsay ny Fahaleovantena. Tsy « niala maina » anefa izy ireo fa nametraka paikady isan-karazany mba hahazoany manohy ny efa nataony… Kolontsaina sy zavakanto vahiny ny saribakoly. Sary mivainga vita amin’ny lamba na plastika, sns, nampakana endrika olona izy ireny. Tsy misy aina […]
« Volana iray, mpanoratra iray » : homena sehatra i Hobiana sy ny asa sorany
Razanajatovo Andrianimerina Hobiana no tena anarany feno. Tsy zoviana amin’ ireo mpankafy sy mpanaraka ny vaovaon’ny haisoratra sy ny literatiora raha i Hobiana. Hatokana ho azy sy ny asa sorany indray ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», amin’ity volana septambra miditra oktobra ity. Toa ny mahazatra, manomboka amin’ ny fampahafantarana […]
Poopy – 40 taona an-tsehatra: hitohy any Frantsa ny fankalazana
Niavaka raha samy seho ilay “Premium live”, natolotr’i Poopy, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Nanaiky niara-nilalao mba hametraka tadidy mahafinaritra ireo mpankafy, nanomboka tamin’ny fampitoviana ny fitafy ka hatramin’ny fiaraha-miredona ireo hira nalahatra. Tsy vitan’ny nanatrika seho manokana fa tafiditra ho mpandray anjara anatin’ ny rakitsarin’ny “Tsy ahita” […]
“Haikanto ho an’ny Ankizy” : sekolim-panjakana dimy no hisitraka ny tetikasa
Vina iraisana sy tanjona iombonana ny fanabeazana ny ankizy malagasy, miatomboka amin’ny fahakeliny. Manana anjara sy anisan’ny mandavorary izany ny fikirakirana ny haikanto. Hanatrarana izany no nanaovana izao tetikasa izao. Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambatomena, ny fanaovana sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny fari-piadidiam-pampianarana […]