kolon-tsaina

« Les noces de l’agneau » : Hipoka ny Palais des sports  Mahamasina

Hetsika kolontsaina sy finoana nahasarika olona marobe ilay « comédie musicale » notanterahin’ny Cevam tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Maha­masina, ny faran’ny herinandro teo. « Les noces de l’agneau », lohatenin’ny tantara nolalaovina teny an-tsehatra. Tafiditra ao anatin’ny fizarana fahatelo amin’ny « Maman, j’ai raté l’enlèvement III». Tamin’ny ankapobeny, nampiavaka ny filalaovana ity tantara […]

Mozika an-dalambe : Fampisehoana nanangonana fanomezana ho an’ireo sahirana

Ho fanampiana ireo olona sahirana, mandray an-tanana izany ny “Mozika an-dalambe”. Hetsika iray ahafahana manangona akanjo sy vola ho an’ireo olona sahirana eto Antananarivo. Notanterahina tetsy amin’ny Carrefour Anko­ron­drano, ny sabotsy lasa teo, ny “Mozika an-dalambe”. Hetsika fanao isan-taona, rehefa amin’ny vaninandro Noely tahaka izao. Antony nanaovana izany ny ahafahana […]

TARATRY ny KANTO

« Okay Live », eny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ ny hetsika hamaranana ny taona ity hiseho anio ma­nomboka amin’ny 10 ora ity. Fampirantiana ny hakanton’ireo fiara tranainy, arahina fampisehoana nataon’ireo mpanao rap zokiny izany. Hifandimby an-tsehatra ry Ben J, Doublenn, Budha El Taga, Psykopasy, Tako­dah sy NgahB, sns. Hivalona tsy […]

« Festival Sambaraha » : Fetibe mitohy ny any Fort-Dauphin

Nilatsaka anelanelan’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona ny « Festival Sam­baraha ». Hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany tontosaina na­nomboka omaly ka hifarana rahampitso alahady izy ity, ao an-drenivohitry ny faritra Anosy. Fetibe mitohy, araka izany, ny ao Fort Dauphin. Ny alakamisy dia efa nosokafana tamin’ny famonoana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana izany. Narahin’ny […]

Taona 2025 – Boky : Hivoaka ny Valihan’ Ikaky I

Ny taona 2020, nivoaka voalohany ny boky Valihan’Ikaky. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ao anatin’irony boky hoenti-mandalina ny zava-panahy izy tamin’izany. Nanantombo kokoa, mantsy, ny fampianarana sy fanabeazana momba ny fifandraisana sy ny fifamatoran’ny fanahy sy ity zavamaneno ity, raha oharina amin’ny fampianarana mitendry valiha, voarakitra ao anatiny. Nanjary maro be ireo […]