kolon-tsaina

RAP Malagasy: mpanakanto vahiny 12 no ho ao amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”

Tombony maro no azo noho ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony. Fampiroboroboana ny tontolon’ny Rap malagasy ary tosika ho an’ny mpanakanto miangaly izay gadona izany. Tombony lehibe ihany koa ho an’ny Malagasy mpiondana ny Rap. Tanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny La­pan’ny Kolotsaina sy Fana­tanjahantena Mahamasina ny “Festival […]

Tontolon’ny saripika: notokanana teny Ambatovinaky ny takelabato Ramilijaona

Ramilijaona na « Ra­mi­ly », andrarezin’ny tontolon’ny saripika malagasy. Noto­kanana, omaly, tetsy Amba­tovinaky ny takelabato misy ny anarany sy ny soniany. Ankoatra ny sonia, tazana ao anatin’ity takelaka ity ihany koa ny soratra : « Tato no niorina voalohany ny trano studio an-dRamilijaona (1887 – 1948), rain’ny fakana sary malagasy maoderina ». Voa­soratra amin’ny fiteny […]

Fampivelarana ny kolontsaina, fomba amam-panao…: mitaky fanazavana amin’ny raiamandreny ny vanim-potoana ankehitriny

Nanana ny nampiavaka azy ny Malagasy sy i Madagasikara raha ny tontolon’ny kolontsaina, fomba amam-panao, ny fady… Noezahin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona nopotehina izy ireny mba hampalemy ny tompon-tany. Maro ireo niova endrika, niova dika, niova bika, sns. Very sy latsaka eo an’elanelan’izany rehetra izany ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Mitady […]

« Jazz@teny tsy fantatra » : hanafana ny CGM ry Fanaiky Trio

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsika kolontsaina faran’ny herinandro, etsy amin’ny Goethe-Zentrum Antanana­ri­vo/CGM tohatohabato Antaninarenina. Hanatante­ra­ka seho miavaka eny an-toerana ry Fanaiky Trio, ny alahady 11 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Jazz, miteny @ teny tsy fantatra », hiarahana amin’i Fanaiky hitendry gitara, i Mialy Tiana hikapoka ny amponga maroanaka, […]

Unesco – « Réseau du système des écoles associées» : hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny samy mpikambana sy ny mpandrindra

Notanterahina, omaly, tao amin’ny foiben’ny Vao­mieram-pirenena malagasy momba ny Unesco, etsy Be­horirika ny fivoriana fanao isan-taona iarahan’ireo se­koly mpikambana ao amin’ny « Réseau du système des écoles associées » sy ny mpandrindra nasionalin’ity sampana eo anivon’ny Unesco ity. Tapaka tao anatin’izany fa anisan’ny ezaka hotanterahina ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny serasera eo […]