kolon-tsaina

Kabary – Fi.Mpi.Ma : Notokanana ny sampana Djibouti

Omaly 13 desambra 2024, tamin’ny 9 ora maraina. Notan­terahina tao amin’ny « Bibliothèque et Archives Nationales » ao Djibouti, ny lanonana goavana nanatanterahina hetsika telo momba ny kabary. Lanonana fitokanana ny sampana Fikam­banan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Famoahana ireo mpiofana andia « Santatra » ary fanokafana ny taom-piofanana 2025 – 2026. Taorian’ny fanatanterahana ny […]

Anisha Jo : « Hitoriako fitiavana ho an’ny Malagasy ny mozikako »

Mandalo an-tanindrazana i Anisha Jo. Fotoana efa niriany ela sy efa nampanantenainy koa ity, taorian’ny nandre­seny tamin’ny “Star Academy” 2022. Mpanakanto tsotra, feno fitiavana. Izay raha tsaraina amin’ny in­dray mitopy maso i Anisha Jo. Raha ny talentany kosa, niara-nahita izao tontolo izao tamin’ ny nandrombahany ny laha­rana voalohany tamin’ilay fifaninanana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra. Ingahibe Tselonina, etsy […]

« Antsika hisôma »: Hisongadina ny fanodinana ny plastika

Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny « Antsika hisôma ». Hetsi­ka tanterahina anio sy amin’ny 20 desambra izao. Ny fi­kambanana Kolo Kitra sy ny Ma­da­gaslam, miaraka amin’ny IKM no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany. Kendrena ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora. Atrikasa, vaky boky, fifaninanana, fampianarana hanodina harona […]