kolon-tsaina

Fialamboly sy fanabeazana : kilalao miavaka ny «Tsimok’arret»

Nisy ny fanentanana momba ny lalao «Tsimok’arret», notanterahina teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly. Ny ekipan’ny Alt’Istik no niandraikitra izany. Ny «Tsimok’arret» dia karazana kilalao natao sy noforonina ho an’ny ankizy mihoatra ny enina taona. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra ny ankizy mahakasika ny aretina azo […]

“Tsika Jiaby Festival” any Frantsa : niampy tarika malaza 14 ny mpandray anjara

Tsy mbola nisy toa ity, na teto Madagasikara aza! Ankoatra ireo tarika am-polony efa nambara fa ho avy, niampy indray ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Tsika Jiaby Festival” any Frantsa. Ho fanandratana ny mo­zi­ka malagasy. Fanam­by goavana be ny an’ny Mam’s Event, izay mikarakara ny “Tsika Jiaby Festival”. Ity ny […]

Fondation H: hampahafantarina ny fanenoman’i Madame Zo

Hisy ny hetsika misokatra ho an’ny rehetra, tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 20 janoary 2024. Ny mahakasika ny fanenoman’i Madame Zo na Razakaritrimo Zoarinivo no lohahevitra lehibe amin’izany. Raha tsiahivina, fanambin’ny Fondation H sy ny mpitantana azy ny hampivelatra sy hampahafantatra ny haikanton’i Madame Zo, anisan’ny sangany eo […]

Rakikira vaovao : anaty fandraisam-peo i Shyn

« Human ». Hira navoakan’i Shyn tany amin’ny volana novambra tany, izay miresaka ny fitiavan’ilay Zanahary ny olombelona, nomeny hanjaka tamin’ny tany sy ny tontolony kanefa tsy nanaja izany… Anatin’ny laza tanteraka ity hira ity amin’izao fotoana izao. Andran-tsira ho an’ny rakikira vaovao izay ketrehan’i Shyn sy ny ekipany, kasainy hivoaka afaka […]

Minisitra Andriamananoro Augustin : “Hapetratsika ilay Madagasikara ho an’ny Malagasy”

Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Namaritra ny vinany ny minisitra vaovao, Andriamananoro Augustin. “Isaorako ny minisitra teo aloha, Rakotondrazafy Lalatiana, sy ny ekipany noho ny asa maro vitany. Inoako fa ho maro koa ny mbola hotontosainao manomboka eto”. Ampahan’ny lahatenin’ny minisitra Rahanta­nirina Vavitsara Gabriella, […]