Manaraka ny toetr’andro hono! Iharan’izany ihany koa ny fampianarana zavakanto. Nilaozana ny « ampitain-davitra » fa nirosoana tsikelikely indray ny fividianana « pack ». Misy ny milaza fa ampy hampivoatra ny fahaizana ny fampiasana azy io. Ao koa ny mitsipaka izany. Fahiny, fony mbola tsy nisy ny sekoly ahitana rindrina […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Nadika amin’ny teny soedoa ny sanganasan-dRabearivelo. Ilay boky malaza “Presque-Songes”, izay nivoaka tamin’ny teny frantsay, tany amin’ny taona 1934 no nadikan’i Eric Luth, ka navoakan’ny Editions Vendels any Suède. Anisan’ny boky nampamiratra an-dRabearivelo teo amin’ny sehatry ny literatiora iraisam-pirenena izy ity, ary mbola mitohy hatramin’izao. Ny maha zavakanto ny « […]
« Vibe Tropical » : hiaka-dapa ry L-Jo, Lion Hill, Basta Lion…
Tsy voalohany akory no hisehatra ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo mpanakanto tanora manana ny lazany amin’izao fotoana izao. Sambany kosa ny «Vibe Tropical», hetsika izay hotontosaina ny zoma 6 desambra izao, iarahana amin’i Lion Hill, Basta Lion, Mr Sayda ary i L-Jo. “Homena ny anjarany […]
Kilalao Malagasy : tsy ampy ny fampahafantarana
Ny Kianja Masoandro eny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nandray ny hetsika «Andron’ny Kilalao malagasy», omaly. Hetsika nampahafantarana ireo kilalao malagasy sahala amin’ ny katro, fanorona, tsobato, raosijamba, sy ny maro hafa. Ireo ankizy mivondrona ao amin’ny fikambanana Ank’Izy sy ireo mianatra eny amin’ny sekoly manodidina no maro an’isa tamin’ny nandray […]
Etazonia – Slam National : ho avy eto Madagasikara i Marc Smith
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andiany faha-15 ny Slam National. Handray andraikitra mivantana ao anatin’ izany i Marc Smith, teratany amerikanina, poeta sady mpanoratra fanta-daza maneran-tany. Marc Kelly Smith, mpanorina ny hetsika «Slam-poésie» maneran-tany. Fantatra, omaly, fa hanohana ny fahatongavany eto Madagasikara, hiatrika ny «Slam Narional» andiany faha-15 ny masoivoho […]




