kolon-tsaina

«IFFR 2024»: handray anjara ny sanganasan’i ‘Hachimiya Ahamada

Anisan’ny handray anjara amin’ny “Festival international de film Rotterdam” (IFFR) ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls es­seulés» an’i ‘Hachimiya Ahamada. Sarimihetsika ma­ne­ho ny zava-nisy tany amin’ ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny nosy Comores, ny taona 1976. Sambany handray anjara amin’ny hetsika lehibe izy ity. Ny IFFR izay […]

Kabary: harem-pirenena mampandroso ary lovain-jafy

“Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany”, hoy ny Fimpima. Azo itarafana ny maha izy ny firenena iray kabary. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Tranom­boky monisipaly Anala­kely, ny hetsika fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, nokarakarain’ny Fi­kam­banan’ny mpikabary ma­lagasy (Fi.mpi.ma). Niatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ity fikambanana ity. Anisan’izany Andriamboavonjy […]

Fimpima – Unesco : homarihina ny « Androm-pirenen’ny kabary »

« Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisite­ran’ny Serasera sy ny kolontsaina dia foana ny fankalazana iombonana amin’ny An­drom-pirenena ho an’ny kabary, araka izany, afaka manao fankalazana manokana ny fikambanana », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Eo ambany fiahian’ny Vaomieram-pirenena ma­la­gasy ho an’ny Unesco. Eo ambany fitarihin’ny Fikam­ban’ny mpikabary malagasy, hotanterahina […]

Andriamananoro Augustin : minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina

Voatendry omaly, ho minisitra hisahana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Manam-pahaizana sy efa nisahana andraikitra ambony momba ny fifandraisan-davitra izy. Ho an’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto manokana, anisan’ny andraikitra lehibe miandry azy ny hanala ilay anara-maneso « Faralahin-jaza ». Na nisy aza ny ezaky ny teo aloha rehetra, […]

Tamboho Be : nofaranana ny fankalazana ny faha-20 taona

Sehatra lehibe roa no iasan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ny Tontolon’ny kolontsaina sy ny sosialy. Nosalorana ireo endrika roa ireo ny lanonana nentina nankalazana ny faha-20 taona niorenan’ ity fikambanana ity. Nofaranana ny sabotsy 13 janoary teo ny hetsika fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana « Tanora […]