kolon-tsaina

12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra

Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany. Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Mada­gasikara. Samy nanana […]

Mozika tsy tontan’ny ela: mamelo-maso ny Anoka Bagasy

Tetikasa lasa anaran’ny tarika. Anoka Bagasy, mahalaza ny toe-po amam-panahin’ireo mpanakanto eo am-piangaliana azy. Mahalaza koa ny fihetseham-pon’ny mpankafy rehefa babon’ny hira ka entiny mianjoria iny… Antony lehibe nisafidianana ny anaran’ny tetikasa ho “Anoka Bagasy” izany. “Faniriana efa ela tato anatiko izy ity no navadika ho tetikasa. Izaho efa ela […]

Tetikasa “Kanto Manabe” : mitohy ny fampiofanana ny mpanabe

Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny atrikasa fampiofanana ny mpanabe ny kanto eny amin’ireo Tranombokim-pokontany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny atrikasa natao ny alarobia lasa teo ary hitohy amin’ny resaka fitaovana mahakasika ny hosodoko ny dinikasa, anio. Tanjona ny hampiroborobo ny haikanto avy eny ifotony. […]

Taona 2024 : hovelarin’ny « La St’Art Project » ny sehatrasany

Taona 2019, natsangan-dRazafindralambo Tsilavina ny « La St’Art Project » misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo… Misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana. «Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (fandraisam-peo) fa hanohy izany amin’ny fanatanterahana […]