kolon-tsaina

Kolontsaina isam-paritra: mila omena lanja ny haren’ ny fahasamihafana

Efa misy ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasamihafan’ny kolontsaina (JMDC). Fanapahan-kevitra ahatarafana fa mila omen-danja ny kolontsaina tsirairay mba hisian’ny lamina tsara petraka ao anaty fiarahamonina. Ho an’ny mpandinika momba ny fifandraisana sy fifamatoran’ny kolontsaina sy ny fiarahamonina: « voajanahary ho an’ny zavaboahary ny fahasamihafana”. Noho izany, mila omena […]

Slam national XV: nahazo fanomezana ireo mpandresy

Notoloran’i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara mari-pankasitrana i Rado Ravalison na Orad, tompondakan’ny Slam National XV teto Madagasikara. Teny amin’ny ivontoeran’ny masoivohon’i Etazonia Andranomena no nanatanterahina izany lanonana izany. Ankoatra an’i Orad, nomena mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpandresin’ny fifaninanana nasionaly tamin’ny sokajim-pifaninanana rehetra. Tetsy ankilan’izay, nisy ny seho natolotr’ireto […]

Tontolon’ny hira malagasy: nodimandry Rakotoson Rémi (Tarika Remy)

Nindaosin’ny fahafatesana, ny harivan’ny 7 janoary 2025 teo amin’ny faha-65 taonany, Rakotoson Rémi filohan’ny tarika Remy. Nambaran’i Mami Bastah fa : « Mahatsiaro irery, satria, ny tenako irery sisa no mpikambana namorona ny tarika Remy tamin’ny taona 1982 fa lasa daholo ry zalahy ». Anisan’ny sanganasa nahafantarana azy (Rémi) sy ny tarika Remy […]

« Le Meilleur Pâtissier »: hiatrika ny famaranana i Tsiory Razafinimanana, anio

Mamiratra ary tena misongadina ny Malagasy. Manaporofo izany i Tsiory Razafinimanana amin’ny fandraisan’anjarany amin’ny “Le Meilleur Patissier”. Tanterahina anio hariva, any Paris France ny famaranana ny “La Meil­leur Patissier” andiany faha-13. Fifaninanana manamboatra mofomamy, karakarain’ny fahitalavitra Frantsay M6 izy ity. Anisan’ireo telo hiatrika izany dingana lehibe izany i Tsiory Razafinimanana, […]

Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary

Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, […]