Misongadina tsikelikely eo amin’ny iraisam-pirenena ny mozikan’i Nantenaina Andriamorasata, mpitarika ny Vakamiarina. Nampiditra ny sanganasany amin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny famoronana mozika ho an’ny zavamaneno harpe izy. Maromaro ireo mpifaninana maneran-tany, saingy voafidy tao anatin’izany ny ” Lonely”. Hilahatra amin’ny sangasan’ireo mpanakanto avy any Etazonia, Brezil, Australie, Espagne, sns, ity mozikan’i […]
kolon-tsaina
Prix Paritana 2024: miatrika fiofanana any Frantsa Irimboangy
Manaraka fiofanana any Paris Irimboangy, Malagasy mpahay kanto. Tombony ho azy sy ny mpanatalenta tahaka izao ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana “Prix Paritana”. Tanterahina mandritra ny telo volana ao amin’ny Cité internationale des arts ao Paris Frantsa, ny fivahinianana arahina fiofanana sy fanatontosana ny tetikasa « ‘Ridô – dévoiler les souvenirs» an’i […]
Taranja malagasy: hampiofanina ny mpampianatra
Ao anatin’ny 12 taona nianarana ny taranja malagasy (Taona 1 hatramin’ny kilasy famaranana) ny zanaky ny Malagasy, kanefa, sady tsy mahay fitsipi-panoratana ny teny malagasy no tsy mahafantatra ny fomba malagasy, tsy mahay miteny malagasy! Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana mandrafitra ny taranja malagasy misy ankehitriny. Tsy hahita vokatra tsara amin’izany, […]
Felana Rajaonarivelo: mitohy ny fahombiazan’ny Debout
Notontosaina ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024, ao Lomé Togo, ny « Emergence Films Festival” andiany faha-11. Nisolo tena an’i Madagasikara tao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, tamin’ny alalan’ny horonantsary fanadihadiana Debout! Horonantsary miisa 33 nizara amina sokajy efatra no voafantina nifaninana tamin’izany fifaninanana izany. Firenena 15 avy eto Afrika sy Amerika […]
Tsy fitovian’ny kolontsaina…: Mila mifanaja ny samy Malagasy
Lasa zary fahazarana ny manao anaty kitapo iray ny Malagasy. Raha ny sisintany, na ny ampahany amin’ny soatoavina, hita taratra ihany ilay iraisana. Fa rehefa miditra lalindalina, miharihary koa ilay fahasamihafana. Io ilay harena be tsy misy manana raha mahay mifanaja ny Malagasy. Midadasika i Madagasikara. Ny fomban’ny any atsimon’ny […]




