kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana. Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka […]

Sinema malagasy ; Feno ny «Disco Afrika: une histoire malgache »

Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasi­kara […]

Faha-95 taonan’ny Tropy Jeannette: hira teatraly ranoiray no haseho an-tsehatra

“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. Hira izay notsongaina […]

“Festi-Sôva” andiany faha-7 : homena sehatra ireo kalaza amin’ny vakisaova

Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika. Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoriri­ka, Tara-pahazavana Andrai­so­ro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Col­lection Andranomanalina, Fita­rikan­dro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadini­ka, sns. Tarika mivoy ny […]

TARATRY ny KANTO

Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo […]