Mitohy hatramin’ny 30 oktobra 2024 ny hetsika « Mode éthique et durable », andiany faharoa, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Hetsika izay tetikasa miteraka vokatsoa eo amin’ny sehatra maro. Anisan’ny mahazo tombony amin’izany ny eo amin’ny sehatry ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana. Eo ihany koa ny fampandrosoana lovain-jafy. […]
kolon-tsaina
“Miss Earth 2024” : ho any Phillipines i Hendry Tsiky
Herinandro vitsivitsy lasa izay no voafidy ho “Miss Ile de Madagascar 2025” Andriambolatiana Hendry Tsiky. Ho tohin’izay fisalorany ny anaram-boninahitra izay, hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny “Miss Earth 2024”, hatao any Phillipines, ity tovovavy ity. Hanomboka anio ny fifanintsanana, ka dingana maro no handalovan’ireo tovovavy misolo tena avy ny […]
Fanandratana ny hira sy ny soatoavina : mitsangana sy mikaroka ny tarika Gasy mi…
« Tano ny anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie ianao » ! Io no antom-pisian’ny tarika Gasy mi… Mitafy fahavononana hanandratra hatrany ny hira sy soatoavina malagasy. «Ny « mi… » azo halavaina amin’ny hoe : miangaly, milay (tsara), mankafy ny raitra sy ny kanto, sns », hoy […]
TARATRY ny KANTO
Hankalaza ny faha-35 taona nikorianan’ny peniny Ny Vetso. Ny alakamisy 24 oktobra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany. Amin’io fotoana io koa no hanolorany amin’ny fomba ofisialy ilay boky « 365 andro tonga lafatra » ho tsangambaton’ny faha-35 taona. Hanafana sy handravaka ny hetsika […]
Hizara mozika : handalo an-tanindrazana Rakoto
« O ry zandry kely! ». Hira nalaza tany amin’ny taona 90 tany, izay mbola ahafantarana an-dRakoto hatramin’izao, izany. Monina any ivelany, kanefa tsy manadino ireo mpankafy eto an-tanindrazana izy, isaky ny afaka mandalo. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka izy, ny alahady 27 oktobra ho avy izao, manomboka […]




