Misy madisadisa ny isan-tokantrano. Marary ny fiarahamonina malagasy. Nambaran’ny Dr. Andriamahenina Fabrice, mpandinika fiainan’ny fiarahamonina fa « anisan’ny nahatonga izany ny fahaverezan’ny soatoavina fototra ». Dinika nifanaovana taminy… Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpandinika ny fiarahamonina anao, inona no nahatonga ny fiarahamonina malagasy tsy afaka disadisa ? Dr. Andriamahenina […]
kolon-tsaina
Gadona malagasy : Tafatsangana ny “Redombe Ba Gasy”
Tontosa ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Aro Antsahavola, ny lanonana nokarakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra izany, ary ny “Redombe Ba Gasy”, fikambanana ivondronan’ny mpanao bagasy tsy ankanavaka. Fananganana ny “Redombe Ba Gasy” sy fianarana hira ary fifampizarana sy seho an-tsehatra no nameno ny fandaharam-potoana […]
Ho valin’ny fangatahana…: hosokafana ho an’ny mpanao hatsikana ny Ivokolo
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay fampisehoana nataon’ireo tanora mpanao hatsikana, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Mbola tafiditra tanatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny hehy ihany izany, izay nandraisan’ireo mpanao hatsikana ampolony anjara. Tsikaritra fa tsy ampy ny toerana sy ny fotoana hanehoan’ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny hatsikana ny […]
« Slam Poèsie »: hiaka-tsehatra anio amin’ny amboara eran-tany i Hichim
Mandritra ity andro faharoan’ny fifaninanana fiadina ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam poèsie” ity, hiaka-tsehatra ny solontena malagasy. Efa any an-toerana ary efa vonona tanteraka ny delegasionina hiatrika izany. Anio amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Madagasikara no hiaka-tsehatra voalohany, amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny […]
Horonantsarimihetsika : tafaverina ny « Malok’ila »
Tontosa tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Mining Business Ivato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny horonantsarimihetsika “Malok’ila Le Grand Retour». Hanomboka amin’izay, araka izany, ny fandefasana ity horonantsarimihetsika malaza ity manerana ny Nosy. «Teo amin’ny manodidina ny enim-bolana teo no nikaondoha nanao azy ny rehetra […]