kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

«Eto ry lala» ! Hira sy tononkalo hotanterahina ny alahady 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy. Seho tsy fahita tao anatin’ny taona maro. Hiaka-tsehatra ho an’ny hira ny tarika Ny Voamaintilany, i Benny ary i Voara (Tarika Fangia Kalo Gasy). Ratsifa sy Avelo Nidor […]

“Kafe literera” : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny trano famakiam-boky «Mille feuille» Ankoraho­tra, ny hetsika «Kafe literera», iarahana amin’ny mpanoratra Johary Ravaloson. Ny mahakasika ny boky «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana» no resahina ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tafa sy fizarana atolotr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity amin’ireo mpankafy azy eto […]

« Angaredona Mozika Festival »: hanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto

Mozika miaina…Ilay mozika misy fanahy, iangalin’ny mpanakanto vory talenta ary raisin’ny mpankafy vonon-kivelatra no nanjaka nandritra ny « Angaredona Mozika Festival ». Nanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto maro nandray anjara izany. Eny, vitsivitsy ny mpijery tonga. Fa ireo nanatrika kosa dia mpanjifa samy resy lahatra fa manan-karena ny mozika Malagasy. Nanom­boka ny […]

TARATRY ny KANTO

Efa lany ny faran’ny herinandro teo avokoa ny tapakilan’ilay seho “Mena Masoandro”. Mbola amin’ny zoma 27 septambra izao anefa ity seho iarahana amin’i Olombelo Ricky, ao amin’ny La City Ivandry, ity. Nandefa fialantsiny ho an’ireo tsy nahatratra intsony ry zareo mpikarakara ao amin’ny RDJ. Tsy misy azo atao ho an’izay […]

40 taona nanoratana: mihoatra ny 1 000 ny tononkalon’i Aina Nirina

Tontosa ny sabotsy 21 septambra teo, tao amin’ny Tra­nompokonolona Analake­ly, ny fanamarihana ny faha-40 taona nanoratan’i Aina Nirina. Tsangambaton’izany ny namoahana ny boky « Som­­bin’i Aina 2 ». Namba­rany fa : « ny anara­na Som­bin’i Aina dia midika fa ny aingam-panahin’i Aina Nirina no ao anatiny. Midika ihany koa hoe sombin-tantara. Izany hoe, sombin-tantara […]