Anisan’ireo nanamarika, tahaka ny fanaony isan-taona ny taombaovao ny eo anivon’ny Malagasy iray hasina (Maiha). Hifarana anio ny hetsika fampirantiana ataon’izy ireo momba izany. Nosafidiana manokana tamin’ity indray mandeha ity ny momba ny lambalandy. “Anisan’ny manana ny lanjany sy hasiny teo amintsika izany. Misy dikany avokoa ny sorany sy ny […]
kolon-tsaina
Hosantarina aty Antananarivo… : hiditra amin’ny andiany faha-8 ny « Fianar Reggae Festival »
Feno 10 taona amin’ity taona ity no nisian’ny hetsika «Fianar Reggae Festival». Hiditra amin’ny andiany faha-8 kosa ny fanamarihana izany, satria roa taona no tsy nisy ny hetsika. Hanao ezaka lehibe hamerina ity hetsika hoan’ny mozika reggae sy ny manodidina azy ity ireo mpikarakara sy mpanakanto ao Fianarantsoa, ny 8 […]
“Festival Dola Beach”: hiavaka ny hetsika amin’ity andiany ity
Tontosa teny amin’ny Campus Telma Andraharo, omaly, ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety ny “Festival Dola Beach” andiany faha-11. Hatao eny amin’ny torapasik’i Vatomandry, ny 7 hatramin’ny 10 avrily 2023 izany. Ny fikambanana Dola Beach no mikarakara ny hetsika, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiara- miasa sy mpanohana samihafa. Hampiavaka ny amin’ity andiany […]
Fanohanana ny rohim-boky : nahazo boky miisa 882 ny Tranombokim-pirenena
Ny boky, loharano tsy ritra. Na eo aza ny firoborobon’ny teknolojia, tsy mbola takona ny vakiboky. Porofon’izany ny fitombon’ny filan’ny mpamaky boky eto Madagasikara, amin’ny sokajin-taona rehetra. Noho ny fahatsapana izay, nanome boky miisa 882 ho an’ny Tranombokim-pirenena malagasy ny fikambanan’ny firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF), ny masoivohon’i Frantsa […]
Nahazo faka ny kolo saina vahiny : voafatotra mafy ny Malagasy sy i Madagasikara
Sanganehana, sakodiavatra ! Misy lasitra efa voavolavola tao anatin’ny fotoana naharitra nanefy ny sain’ny Malagasy. Izay mivoaka na miala na manatanteraka zavatra hafa tsy tafiditra ao anatin’io lasitra io, ailiky ny fiarahamonina. Voatondro molotra. Omena todi-damosina… Ambara ho diso lalana… Ny saina no nodonina voalohany ! Tahaka izao ny fomba […]