Eny amin’ny Ivokolo Analakely indray ny ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz, anio, ao anatin’ny «Festival Madajazzcar» andiany faha-35. Sanda Ranaivosoa Quartet no hanafana ny sehatra mandritra ity hetsika ity. Izy izay anisan’ireo nivoaka tamin’ny fampiofanana Madajazzcar. Nahavita ny fifaninanana hamaritana ny solotenany, hiatrika ny “Slam National XV” (SN XV), atao eto Antananarivo […]
kolon-tsaina
Lohataona : nampiray ny faritra rehetra
Nampiray sy nampiombona ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny faritra 23 teto amin’ny Nosy ny fankalazana ny lohataona: taom-baovaon’i Madagasikara teto Antananarivo. Namoriana olona 1 274 ny lanonana ofisialin’ny fankalazana. Mbola nihoatra izay ny olona tonga tetsy amin’ ny tranombokim-pirenena, izay nanaovana hetsika fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, ny sabotsy teo. […]
Hisy seho telo andro : hivoaka amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy
Hamaly ny fangatahan’ny mpankafy mozika. Azo jifaina ao amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy rehetra, hatramin’ireo telo nivoaka farany. Ho avy koa ny andiam-pampisehoana. “Hatomboka izao ny fiaraha-miasa eo amin’i Rossy sy ny Moozik. Rehefa mety ho rakikira navoakan’i Rossy dia azon’ireo mpankafy jifaina ao manomboka izao”. Io ny fanambarana […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry, ny faran’ny herinandro teo, i Riri Barijaona. Izay no anarana nosalorany amin’ny maha mpanao hatsikana azy. Ny fakana tahaka ny feon’olona maro, indrindra ireo mpanentana amin’ny onjam-peo tamin’izany fotoana no tena talentany. Mpanentana fandaharana tamin’ny onjam-peo rahateo koa i Baritiana indray no nahafantarana azy tamin’ny fandaharana “Ny talentanay ankizy” […]
Fifaninanana : lasan’ny “Kopi Kole” Agrad ny 6 tapitrisa Ar
Nitodika teny amin’ny Coliseum ny sain’ireo rehetra liana sy nanaraka ny fandaharana “Kopi Kole”. Efa alimbe vao nivaly ny fifaninanana, ka 6 tapitrisa Ar ny loka voalohany, ny 5 tapitrisa ho an’izay nahazo ny laharana voalohany, ary ny 1 tapitrisa kosa hanomezam-boninahitra ny mpanakanto nalaina tahaka. Lasan’ny Kopi Kole Agrad […]





