kolon-tsaina

Rakotofrah Junior : hanao fampisehoana vakodrazana

Hotanterahina ny alahady 26 febroary 2023, eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana vakodrazana, iarahana amin’ny Tarika Rakoto­frah Junior sy ny Akon’ny Diary. Fampisehoana iarahan’ ny Office Nationale des Arts et de la Cultures na OFNAC misalaha amin’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina ny fanatanterahana azy, miaraka amin’ny fikambanan’ny […]

Anac Analamanga: hiaka-tsehatra ny mpianatra

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, eny amin’ny foibe toeran’ny Anac, eny amin’ny Tranombo­kim-pirenena, Anosy, ny he­tsika “Anao ny sehatra”. He­tsika hampisehoan’ny mpianatra avy eo anivon’ny Anac ny fahaiza-manao sy ny fahai­zana norantoviny nandritra ny fianarany. Mahatratra 19 izy ireo no hampiseho ny fahaizany amin’io fotoana io. Mpia­natra mozika, […]

Fiarovana ny zon’ny mpamorona: vonona hanampy ho an’ny fanavaozana ny Omda ny Unesco

Nandroso sosonkevitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Unesco, amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy fiarovanana ny zon’ny mpamorona. Toraka izany koa ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy. Tontosa omaly ilay fi­kaonandoha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, natao tany […]

Fomba amam-panao, tantara, kolontsaina… : misokatra ny revio nomerika « Tsanganafo »

Miavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Raha ny fandraiketana anaty boky sy ny famoahana izany no nahafantarana an-dRanjatohery Harilala hatramin’izay, hi­ampy izany. Misokatra ny revio nomerika nampitondrainy ny anarana «Tsanga­na­fo». Nambarany fa : «ahitana lahatsoratra momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fampahafantarana ity nosy ity, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny teny […]

Slam Poésie: hiantsehatra ny klioba Slamis

Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Ampa­ribe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam. […]