kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Homarihina an-tsehatra ny tsingerin-taonan’i Nini Kiaka. Afakomaly ilay tena andro lehibe, saingy hanaovany fety miaraka amin’ireo mpankafy izany, ny alahady 14 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Karibotel Analakely. Hanampy azy an-tsehatra mandritra izany ireo mpitendry sy mpihira naman’i Nini. Tanterahina anio, eny amin’ny AFT Andava­mamba, ao […]

Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina

Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina […]

Fy Andrianarison : Boky mahakasika ny vaovao an-tsarin’ny TVM

Sambany nisy boky mirakitra ny tantaran’ny Televiziona Malagasy (TVM). Manasongadina ny vaovao an-tsary i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao aminy. Ezaka goavana! Nampa­hafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay teo, ny boky nosoratan’i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra TVM. Nosoratany amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : «Le […]