Anisan’ny singa manabe sy mitaiza ary ahafahana maneho hevitra ny zavakanto. Izany indrindra no hoentina ao anatin’ny teatra “Ilay raiko izay tsy nananako”, mandritra ny hetsiky ny Iza. Hiaka-tsehatra eny amin’ ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny tolakandron’ny 20 jolay 2024, ny mpikambana eo anivon’ny fikambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). […]
kolon-tsaina
Fiverenana amin’ny fototra : mila mitandrina ny mpanakanto
Ny talenta samy manana. Niezaka nanasongadina ny azy ny mpanakanto ka naka tsy satry ny toeran’ny mpanabe. Io antony lehibe io no mitaky fitandremana fatratra ho azy ireo (mpanakanto). Tsy tokony hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny ny fiverenana eny an-doharano fa mila manasongadina ny fototra izy ireo. Mila maneho […]
Mandalo eto an-tanindrazana: hihaona amin’ireo mpankafy azy i Joy K
Taona maro izay no nila ravinahitra any ivelany i Joy K. Mandalo ary hanao fampisehoana eto kosa ity mpanakanto ity amin’izao. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy! Misy andro roa natokan’i Joy K hihaonana amin’ireo mpankafy azy, mandritra izao fandalovany an-tanindrazana izao. Nigadona omaly, miaraka amin’ ny vady aman-janany ity mpanakanto […]
TARATRY ny KANTO
Ririnina, vanim-potoana mampiroborobo ny hiragasy. Tsy mipetraka an-tanàna ny mpanao azy ity fa manafana ny lanonan’ny didim-poitra sy ny famadihan-drazana. Somary mafimafy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny mpikarakara sy ry zareo amin’izao vanim-potoana izao. « Te hitazona ny fomba ny Malagasy. Tsy afa-manoatra anefa satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy… Io tranga io […]
IKM Antsahavola : miavaka ny rantin-tsarin’ i Nart Paul
Anisan’ny mahakanto ny zavatra iray ny fananany ny mampiavaka azy amin’ireo miaraka aminy. Tena kanto tokoa raha ny zavakanto vokarin’i Nart Paul, arantiny eny amin’ny IKM Antsahavola. Manatanteraka fampirantiana eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, hatramin’ny 24 jolay 2024, i Mahafaly Nary Paul, fantatra amin’ny anarana hoe Nart Paul […]




