kolon-tsaina

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Simeona Tsianenenana sy ny sanganasany

Toy ny isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray sy ny sanganasany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nosafidiana hasongadina mandritra ny “Volana iray, mpanoratra iray” amin’ity janoary ity i Simeona Tsianenenana. Mpanoratra avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, monina ao Toliara. Ankoatra ny fampahafantarana azy ao amin’ny pejy facebookn’ny minisitera, hisy ny […]

Fondation H: tanjona ny hampiroborobo ny sehatry ny zavakanto

Nisokatra ny 10 janoary 2023  ary tsy hifarana raha tsy ny 26 marsa 2023, ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H, natokana ho an’ny mpanakanto malagasy  monina eto Madagasikara. “Tanjona ny hanasongadinana ny fifaninanana amin’ny famoronana zavakanto maneho ny ankehitriny sy  fanohanana izany“, […]

Hira sy fanoratana boky: mikalo ny fitiavana sy ny fihavanana i Frère Jean

“Niroso amin’ny sehatry ny fihirana aho, noho ny fahatsapako fa mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny hira, izay toy ny sakaiza akaikin’ireo tanora tokoa ankehitriny”, hoy Frère Jean de la Croix de la Trinite, Rafanomezantsoa (Frère Jean). Ny fivoizana hatrany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny halemem-panahy […]

Andrianimerina Hobiana: « Tahaka ny olona tsy manana karapanondro ny boky tsy manana ISBN

Maro ny zava-mahaliana sy tokony ho fantatra momba ny rohim-boky. Iray amin’ireny ny « ISBN », izay zary ravaky ny boky fotsiny ho an’ny tsy mahalala. Araka ny fanazavan-dRazanajatovo Andrianimerina Hobiana, mpanoratra, kosa anefa, mametraka any amin’ny fenitra tokony harahina ny fisian’io soratra miendrika kisarisary io, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Dinika nifanaovana […]