Oviana no nisy ny fiarahana an-tsehatra teo amin’ireo kalazan’ny salegy ireto? Vaovao mahafaly ny mpankafy an’i Wawa sy i Fandrama, indrindra ny mponin’i Nosy Be aloha izany. Samy nasandratry ny “Festival Donia”. Sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy raha i Wawa sy i Fandrama. Mpanakanto zanak’i […]
kolon-tsaina
Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina
Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina […]
Fy Andrianarison : Boky mahakasika ny vaovao an-tsarin’ny TVM
Sambany nisy boky mirakitra ny tantaran’ny Televiziona Malagasy (TVM). Manasongadina ny vaovao an-tsary i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao aminy. Ezaka goavana! Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay teo, ny boky nosoratan’i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra TVM. Nosoratany amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : «Le […]
“Live painting” : hitohy eny Anatirova
Fanehoan-kanto efa fanao maneran-tany, saingy anisan’ireo zava-baovao anatin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, ny “Live Painting”. Notontosaina ny sabotsy teo ny voalohany, teny amin’ny Rovan’Ambohimanga. Samy naka zoro nampiaina ny aingam-panahiny ireo mpahay kanto nandray anjara. Avy hatrany dia fanehoana talenta mivantana no natao, amin’izay endrika hosodoko manavanana ny […]
“Intelligence artificielle” : efa manana ny toerany eo amin’ ny famokarana horonantsary
Mivoatra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ihany koa ny famokarana horonantsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny velakevitra ho fampahafantarana ny “Intelligence artificielle”, tao anatin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”. Tontosa, omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka niresahana sy namelabelarana mahakasika ny « Intelligence artificielle » (IA) […]





