kolon-tsaina

Unesco: nomarihina ny « Andro maneran-tany ho an’ny filozofia »

Alakamisy fahatelo ao anatin’ny volana novambra. Natokan’ny Unesco ho « Andro maneran-tany ho an’ny filozofia ». Notanterahina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso ny hetsika mifanandrify amin’izany. «  Ahafahana manokatra fijery indray, indrindra indrindra adihevitra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Natokana hieritreretana ny olombelona sy ny ampitsony ihany koa ity Andro maneran-tany ity », hoy Ravelojaona Manda, […]

Rindram-piarahamonina malagasy: saba-droa lela ny « marimaritra iraisana »

Tahaka ny firenena rehetra, manana izay heveriny fa hampirindra ny fiarahamonina misy azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny « marimaritra iraisana ». Saika nahitana azy io ny ankamaroan’ny sehatra niainany. Noraisina ho fomba mihitsy aza izy io taty aoriana, hany ka sarotsarotra ny niala na ny nanala azy amina tranga tsy maintsy […]

Harembakoka: feno 50 taona ny fifanarahana iraisam-pirenena

Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina tao Paris, ny taona 1972 ilay fifanaharana izay mahakasika ny fiarovana ny harembakoka iraisain’izao tontolo izao. Mamaritra ireo zavaboahary na harembakoka ara-kolontsaina izay mahafeno ny fepetra hampidirina anaty lisitra, mamaritra ihany koa ny andraikitry ny […]

Tontolon’ny kabary: feno 59 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy

16 novambra 1963 – 16 novambra 2022, feno 59 taona katroka, omaly, ny nijoroan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manamarika izany, ao anatin’ny 4 andro ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Efa sehatra goavana no iasana (maneran-tany), ka nanapa-kevitra ny hampiasa bebe kokoa ny teknolojiam-pifandraisana […]