kolon-tsaina

Oniversiten’Antananarivo : Mahaliana ny tanora ny hetsika kolontsaina maroloko

Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fo­toana ihany koa hiraisana sy hi­fanakalozana ho an’ny tsy mi­tovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo […]

Fiainam-piarahamonina : mbola voazanaka i Madagasikara

An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… […]

“Dahalo Tour 2022” : nahavita seho 26 tany Eoropa ry Dizzy Brains

Anisan’ireo tarika malagasy mivoy ny rock, misongadina hatrany ivelany ry Dizzy Brains. Porofon’izany ny fahombiazan’ny “Dahalo Tour 2022”, na ny fitetezam-pirenena tany Eoropa nataon-dry Eddy sy ny tariny. Tontosa avokoa ireo seho 26 nampahafantarina mialoha, izay na­no­mboka tamin’ny volana jolay tao Frantsa. Tany rahateo ny ankamaroan’ny seho, ankoatra ny tany […]

Fitantanana ny zon’ny mpamorona : lany teny Tsimbazaza ilay tolo-dalànan’i Rossy

Taorian’ny asam-baomiera tamin’ny alatsinainy, nentina teo anivon’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina teny amin’ny Antenime­ram­pi­re­nena Tsimbazaza ilay tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert, na Rossy, omaly. Nolanian’ireo solombavambahoaka tonga tao, araka izany, ilay tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana 94-036 mahakasika ny zon’ny mpamorona. Antony maromaro no […]

Ranty saripika: 15 taoana ny Madagaslam

Taorian’ny fifaninanana na­sionaly teo amin’ny «Slam » nahafahana namantatra ny tompondakan’i Ma­da­gasikara. Mitohy amin’ny fampirantina, ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana Madagaslam. Eny amin’ny Ivontoeran’ny Ko­lon­tsaina Malagasy na IKM Antsahavola no hanatanterahana izany. Hetsika nanomboka ny 2 desambra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 23 desambra 2022. «Tanjona ao anatin’izao ny […]