Tanterahina manomboka ny 16 avrily 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Lire en fête”, andiany fahenina. Lohahevitry, mandritra izany, ny “Les mondes inexplorées de la littérature”. Hetsika maro no handravaka azy. Eo ny fihaonana amin’ny mpanoratra, tafa sy dinika ary varotra boky isaky ny karazany avy. Fampisehoana miavaka no ho […]
kolon-tsaina
Tarika Ibiyewa : mitohy ny fizarana ny kanto eto an-toerana
Anisan’ny nitondra fampianarana sy nizara ny traikefany mahakasika ny mozika matihanina sy avo lenta ihany koa ny tarika Ibiyewa, avy any Allemagne, omaly, teny amin’ ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (CRAAM) Ankatso. Ireo singa mety hotsinontsinoavin’ny mpanakanto ao anatin’ny hirany no nampahafantarin’ireto tarika ireto. Araka ny nambaran’ny […]
Atrikasa Jazz: nizara ny traikefany ireo vahiny nasaina
Mitohy ny hetsika karakarain’ireo tomponandraikitra eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Nizara ny fahaiza-manaony ireo teratany vahiny manana ny maha izy azy eo amin’ity gadona ity . Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivokolo Analakely, ny atrikasa mahakasika ny fitendrena zavamaneno, eo amin’ny tontolon’ny mozika Jazz. Teratany vahiny miisa telo, sangany amin’ny fitendrena […]
Joël Andrianomearisoa: nahazo ny mariboninahitry ny kanto frantsay
Notanterahina ny 2 avrily teo, tany Paris France, ny lanonana fanolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra avy amin’ny Répoblika Frantsay. Anisan’ny nahazo ny “Chevalier de l’ordre des arts et des lettres de la République Française » i Joël Andrianomearisoa, Malagasy mpiangaly ny haikanto plastika. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ireo mpahay […]
Fivoarana: Tratry ny « bekorontana » ny hira malagasy
« Sarotra ny mitsara ny zavakanto », hoy ny fomba fitenin-dry zareo tandrefana. Ho an’ny firenena tatsinanana, tsy mitombina io. Rehefa manitsaka na mandika na manimba ny soatoaviny, tsy ankatoaviny ho zavakanto velively. Ho an’ny hira manokana, tafiditra lalina amin’ny fampiasana ireo teknolojia vaovao ihany koa ny Malagasy. Tsy voatana intsony ilay […]




