Nivaly kosa ny roa taona tsy niasana ! Tamin’ity angamba no maro indrindra ny mpanakanto malagasy hanafana ny fetin’ny faran’ny taona any ivelany, indrindra ao Frantsa. Tafaverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mpanakanto mpanao mozika. Marina fa tsy izy rehetra no niarina taorian’ny niainana ny valanaretina, saingy azo ambara kosa fa efa […]
kolon-tsaina
Taorian’ny tany ivelany : hamarana ny taona eto i Samoëla
Hifarana ny taona, hamarana ny “Bandy Rangahy Tour 2022” ihany koa i Samoëla sy ny tariny. Seho am-polony no tontosan’izy ireo tany ivelany, ka tao Frantsa ny ankamaroany, ny volana oktobra sy novambra ary ny fiandohan’ny desambra teo. Somary lasa alohan’ny namany, ka nisafidy ny hamarana ny taona eto an-tanàna […]
AFT Andavamamba : hanokatra ny “seho 2023” i Mirado sy Reko Band
Hamarana ny fankalazana ny faha-75 taonany ny Alliance Française Antananarivo. Homarihana amina fampisehoana, izay hanokatra ny taona ihany koa anefa izany hoan’ity ivotoeram-pampianarana sady ivon-kolontsaina etsy Andavamamba ity. Nosafidian’izy ireo hiray sehatra amin’izany i Mirado sy ny Reko Band, ny asabotsy 7 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mpanakanto […]
Asa fanoratana : maty i Françoise Bourdin
Nodimandry ny 25 desambra 2022, tao amin’ny trano fonenany tao Eure ao Normandie Frantsa, teo amin’ny faha 70 taonany i Françoise Bourdin . Isan’ny mpanoratra Frantsay nanana ny naha izy azy. Ny fanoratana asa soratra miresaka ny fitiavana ny tena nanahafantarana azy. Asa sorany nivoaka farany ny “Un si bel […]
Taona 2023 – Raha tsy mitandrina…: ho potika tsy ho ela ny kolontsaina malagasy
Manana ny mampiavaka azy manoloana ny an’ny hafa ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny fotoana naharitra, niezaka ny nanimba izany ny vahiny sy ireo Malagasy saribakoliny. Hanao ahoana ny mety hanjo azy ity atsy ho atsy ? Tsy lavaka tsotra intsony fa efa hantsana lalina no ivarinan’ny kolontsaina malagasy amin’izao vanim-potoana izao. […]