Desambra, volana farany amin’ny taona iray, ho an’ny fanisana andro gregorianina. Volana mampivandravandra ihany koa fa takona manoloana ny an’ny hafa ny finoana sy ny fahalalan’ny Malagasy. 25 desambra, nahaterahan’i Kristy. 31 desambra faran’ny taona ho any amin’ny taona vaovao manaraka indray. Ny fanisana andro gregorianina no nametraka ireo fa […]
kolon-tsaina
« Chansons sans frontières »: tombony ho an’ny maniry ho matihanina eo amin’ny mozika
Fifaninanana karakarain’ny fikambanana fusaca, miaraka amin’ny Organisation international française (OIF), ho an’ny mpahay kanto mihira, amin’ny tany rehetra mampiasa ny teny frantsay ny « Concours international d’écriture. Chansons sans frontières ». Miditra amin’ny andiany faha-18 ny fifaninanana amin’io taona 2024 io, ary lohahevitra amin’izany ny hoe « Escalader le ciel ». Tanjon’ny fifaninanana ny […]
Cité International des Arts: mifarana ny fikarohan’i Ashiko Ratovo
Fahombiazana no azo ilazana ny fampirantiana « Sans abri », nataon’i Ashiko Ratovo na Ratovohery Toavina tao amin’ny Fondation H tao Paris, Frantsa, ny 13 hatramin’ny 22 desambra 2023. Raha tsiahivina, fampiharana ny niofanany sy ny voka-pikarohany iny naranty iny. Ankoatra ireo Malagasy any an-toerana, maro ny vahiny tonga nitsidika sy liana […]
« Maman, j’ai raté l’enlèvement 2 »: nitondra seho raitra sy miavaka hatrany ny Cevam
Goavana. Azo raisina amin’ny lafiny rehetra mihitsy izay, raha hiresaka ny seho tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 24 desambra teo. « Maman, j’ai raté l’enlèvement » andiany faharoa, nomanin’ny ekipan’ny Centre d’Evangélisation de Madagascar, fantatry ny maro amin’ny hoe Cevam. Ny « comédie musicale » efa fanao sy […]
Fakafaka: nozarain’ny finoana samy manana ny azy
“Ny finoana tokana, ny fanehoana no samy manana ny azy”. Marina tokoa angamba izay, raha tarafina amin’ny zava-misy anatin’ny fiarahamonina tao anatin’ny taona maro izay. “Nozarazarain’ny finoana samy manana ny azy ny fianakaviana”, hoy ny lasa faheno matetika. Tsia, tsy ny finoana ka… Ny finoana tokana ihany : mino an’Andriamanitra, […]




