Karama fotsiny, ho an’ny sasany. Adidy amin’ny firenena kosa, ho an’ny hafa. Na inona na inona fironana, tompon’andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny mpanakanto. Mpanabe ny mpanakanto. Manana adidy goavana amin’ny mpiara-belona aminy izy ireny, indrindra ireo mpanao mozika. Efa adidy sy andraikiny ny mampiala voly, saingy tsy izay ihany. Isaky ny […]
kolon-tsaina
«Festival des livres Thrillers» : hiaka-tsehatra ny haikanton’i Avelo Nidor
Tanterahina anio, eny amin’ ny Alliance française d’An-tananarivo (Aft Andavamamba), ny teatra hanehoana an-tsehatra ny “Tononkira fananganana amin’ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor. Tafiditra ao anatin’ny «Festival des livres Thrillers» andiany faharoa izy ity. Voafidy manokana amin’ izao hetsika lehibe izao ity asa soratr’i Avelo Nidor ity, noho ny maha piesy […]
Henri Ratsimbazafy : hiaka-tsehatra farany any Frantsa
Tsy mbola hitsahatra amin’ ny fiakarana an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy. Eny, na dia efa an-taonany maro aza izy no nanambara izany, mbola mahavita ka manome fahafaham-po hatrany ireo mpankafy ity andrarezin’ny mozika ity. «Mamy indray ny miaina», hoy izy anatin’ny hirany, ary izay ihany koa no nentin’i Henri Ratsimbazafy nanamarihany […]
Havàtsa-Upem – Loloniala : nivoaka ny boky «Felan-tatamo: Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako»
Mifarana, anio, ilay hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem » 2023. Anisan’ny nisongadina teny amin’ny Tranombokim-pirenena ny fivoahana boky. Iray amin’ireny ilay mirakitra ny sanganasan’i Loloniala. Nandritra ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023 no nanehoan’i Loloniala Anna Raherimanantsoa-Rakotomahandry (solonanarana : Loloniala) ny fivoahan’ny boky «Felan-tatamo : Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako», mirakitra tononkalo 20. Mizara telo […]
Unesco sy Men : mitohy sy mivelatra ny tetikasa Stem
Kolosaina sy fanabeazana. Tezaina sy beazina ho tia ny taranja siantifika ny vehivavy. Noho izany, hampitomboina ny isan’izy ireo. Ezahina ihany koa ny hananana fanabeazana mitovy ho an’ny rehetra. Miompana amin’ireo ny tetikasa Stem 2023-2024 (Stem : Science, technologie, ingénierie, mathématique), izay fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]




