kolon-tsaina

Hitohy ny fankalazana… Ho tsangambaton’ny faha-55 taonan’ny TVM ny “Havoria”

Feno 55 taona tamin’ny asabotsy lasa teo ny Televiziona Malagasy (TVM). Fanombohana ny fankalazana ihany iny, fa ny fitokanana ny “Havoria” no ho ivony, amin’io taona hitsidika io. 55 taona, nanamarika vanim-potoana maro. Mpandray anjara feno tamin’ny tantaram-pirenena ihany koa ny Televiziona Malagasy, nandritra izay fotoana izay. Niavaka ny fanamarihana […]

“Miss Madagascar 2023”: ho fantatra amin’ny faran’ny taona ny mpifaninana rehetra

Ny fiafaran’ny volana desambra 2022 no hahafantarana ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”,  araka ny nambaran’ny ny mpikarakara. Faritra vitsy sisa no mbola ao anatin’ny fifaninanana ahafantarana ny ho solotenan’izy ireo. Ny faritra 23, miampy ny diaspora no andrasan’ny mpikarakara hifaninana ao anatin’ny “Miss Madagascar 2023”. Vatany […]

Seho feno fihetseham-po… Nanjakan’ny firaisankina ny “Noely Fihobiana”

Seho tsy nisy vidim-pidirana, saingy seho tena matihanina. Izay no azo hamaritana ny “Noely Fihobiana”, notontosaina ny zoma tolakandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Nanjakan’ny firaisankina tanteraka, satria izay tokoa no tanjon’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) foibe avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), […]

Fiverenana an-tsehatra: vonona amin’ny dingana manaraka i Lalie

Tsy nisy latsaka! Ilay feo miavaka, mbola i Lalie ihany no Lalie. Feno fahatokisan-tena ary mpanakanto tena nanomana no tsikaritr’ireo tsara vintana ka nanatrika ny seho izay nataon’ity mpanakanto ity ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Le Galet Manakambahiny. “Tadidinareo ve izany?” hoy ny fanotaniany raha namerina ny “Fo mifampitady”. […]