Hafana indray ny fiarahana amin’ity faran’ny herinandro ity sady ao anaty fety Krismasy rahateo izany. Haneho ny maha izy azy indray ny kalaza amin’ny fampandihizana sy fikosehana kapila, DJ Cyemci, anio 23 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina, ao amin’ny Ethnika Analakely. Fotoana hanehoany ny traikefa ananany tao anatin’ny taona […]
kolon-tsaina
Na nisy ny Noely na tsia… Mivavaka sy mahalala an’Andriamanitra ny Malagasy
Iray amin’ireo firenena nampidiran’ny vazaha ny atao hoe « finoana » ny teto Madagasikara. Nanara-dia tao anatin’izany avokoa rehefa fepetra mety hampitoetra maharitra ny « resa-pinoana ». Anisan’ireny ny anaran’ny finoana, ny fombafomba fanao, sns. Samy nandray izay naharesy lahatra azy ny Malagasy… Nanomboka teo, zavatra maro no niova ! Anisan’ny fitaovam-piadiana iray mahery vaika nialoha […]
MSK: miezaka mamerina ny hasin’ny boky
Lanonana ara-kolontsaina maroloko no natao, ny alakamisy 22 desambra 2022, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nisy ny famoahana ny boky mirakitra ny tantaram-piainan-dRamampy Pierre sy ny an’i Eugene Lechat. Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatina Rakotondrazafy Andriatongarivo no nitarika ny lanonana. Tonga nanotrona izany ireo olo-manan-kaja maro sy tale […]
Piment Café Behoririka : haneho ny mozika rock ry Roova
Hiavaka tsy tahaka ny mahazatra ary hafana. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Piment Café Behoririka, rahampitso zoma ny “Rock sy ny revintsika”, iarahana amin’ny tarika Roova sy ny mozikany. Hoentiny an-tsehatra amin’izany ireo hira maro nahafantarana azy. Anisan’izany ny “Ny ranomasoko”, ny “Tsy anjara”, ny “Mitonantonana”… Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro […]
Faran’ny herinandro: hiaka-tsehatra ny tarika Spirity
Tarika ivondronana mpanakanto manana ny maha izy azy indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Le Zoma, Faravohitra amin’izao ankatoky ny fety izao … Mozika mavesatra avy hatrany miaraka amin’ny tarika Spirity no hatolotra ny mpitia zavakanto, rahampitso 23 desambra, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Tarika efa tsy zovina intsony […]