kolon-tsaina

Razafimandimby Fameno: anisan’ireo talenta vaon’ny hira evanjelika

Mpahay kanto anisan’ny tena vao misandratra mihitsy Razafimandimby Tiana Fa­meno Jordan Leonandro na Fameno. Zazalahy anisan’ny nambabo ny fon’ny maro nandritra ilay fifaninan-kira « La voix d’or », ny taona 2021. Efa manomboka miditra tsikelikely eo amin’ny sehatry ny matihanina i Fameno ankehitriny, ary ny hira fiderana no nofidiny iangalina sy hitondrana […]

Galerie Mozaik : haneho ny haikantony i Isaac Azaly

Tanterahina eny amin’ny Galérie Mozaik Antsahabe, manomboka ny 7 desambra 2023 hatramin’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Isegno », hanehoana ny haikanton’i Isaac Azaly. Fam­pirantiana anisan’ny sangany sy manana ny maha izy azy izy ity noho ny fahasamihafan’ireo haikanto ho hita mandritra ny hetsika. Eo koa ny maha mpahay kanto marolafy an’i Isaac […]

Hiragasy : tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona

Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina! Rehefa nandalo ny dingana rehetra, nankatoavin’ny Komity faratampony eo anivon’ny Unesco ny maha harem-baboka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Ny haitao Zafimaniry, ny taona 2008. Ny kabary Malagasy, ny taona 2021 ary izao ny hiragasy. Afaka mirehareha fa manana azy telo ireo ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny […]